Mois : août 2024

Arai : raikitra ny fandraisana tale jeneraly vaovao

Nanomboka omaly ny fandraisan’ny Komity mitandro ny fahitsina (CSI), Antanina­renina, ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kotendrena ho tale jeneralin’ ny Rafitra famerenana amin’ ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), taorian’ny nahalasanan’ny tale jeneraly ny 14 mey teo. Miantoka ny fahaleovantenan’ny rafitra miady amin’ny kolikoly ny CSI, araka […]

RPSD : “Tsy tokony hambaniana ny fametrahana kandidà”

“Tsy tokony hambanimbaniana ny fametrahana kandidà eto. Misy fisainana sy fiaraha-mientana. Tsy vitan’ny antoko politika irery ny manohana kandidà ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD eo anivon’ny Irmar, Andriantsizehena Benja Urbain, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivo­hitra. Tokony hotandremana tsara […]

Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Tsy fanampiana fotsiny ny lafiny sosialy”

Zava-dehibe, maika… Izay ny lafiny sosialy na ny fiainam-bahoaka amin’izao. Hanao ahoana? Maneho ny heviny ny avy amin’ny olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no tena maika andrasan’ny vahoaka amin’ny governemanta vaovao? Anjaramanantsoa Laza Fanambinana (-): Ny fampandehanana ny raharaham-panjakana ankapobeny… […]

TARATRY ny KANTO

Manana mpikabary maro i Madagasikara ! Nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny FI.MPI.MA. Ny taona 2023 sy 2024, miisa 5868 ny mpianatra kabary navoaka. Ny 2505 navoaka ny taona 2023, ny 3363 ny taona 2024. Maherin’ny 300 kosa ny mpampianatra niara-nisalahy niandraikitra izany. Ho an’Antananarivo manokana, mahatratra 810 ireo mpianatra navoaka […]

Fanabeazana maha olona : tsy ampy hira malagasy ireo taranaka

Hira, iray amin’ireo fomba na fitaovana nentin’ny Mala­gasy nanabe sy nitaiza ny zanany. Tany ambadik’Imana­reza, tsy nahenoina hira vahiny nokaloin’ny taranaka malagasy, teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Nahazo laka ny fihirana ny « Diavolana fenomanana takariva », « Fialo­nana », sns. Tafiditra tao anatin’ny fanabeazana avokoa ny tahaka ireny. Nanana ny akony tamin’ny taranaka Malagasy. […]