Efa mandeha sy miparitaka ny lalàna mifehy ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Efa mila vonombonona avokoa izay te hilatsaka hofidiana. Fotoana izao hanombohan’ny fandraisana andraikitra avy eny ifotony. Indrindra ho an’ny tanora na lahy na vavy. Zava-dehibe ny fahasahiana mamaky lay. Mila zatovo vonona sy vanona ny taninjanaka. […]
Mois : août 2024
Fivoriana Cop11: fitantanana maharitra ny ranomasina
Atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 hatramin’ny anio 22 aogositra ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny Fifanarahan’i Nairobi. Mifantoka amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ny lohahevitra. Miisa 11 ny firenena (Madagasikara, Seychelles, Somalia, Kaomoro, Maorisy, Tanzania, Kenya, Mozambika, Afrika Atsimo ary Frantsa amin’ny alalan’i La Réunion) aty amin’ny ranomasimbe Indianina […]
TSELATRA
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka, omaly hariva. Fantatra fa mpitandro filaminana handeha hody eny Ambohitrimanjaka ity tra-doza tampoka ity. Potika tanteraka ilay moto nentiny sy ilay fiara nandona azy. Efa nentina hopitaly ilay naratra. Maty voatifitry ny miaramila mpampandry tany tao an-tanànan’i Fiherenana, fokontany Tsaratanana kaominina Miandrarivo Tsiroanomandidy, afakomaly, […]
Lasa ny vola 400 000 Ar: mpanao Cash point norobain’ny jiolahy
Miseholany ny trangam-panafihana ataon’ny jiolahy mitam-piadiana ao Toamasina. Cash point iray indray lasibatra, omaly. Lasa ny vola sy telefaonina. Telo lahy nandroba Cash point tao Tanambao V, kaominina Toamasina, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Hanokatra ny toeram-piasany toy ny mahazatra, tsy nanampo na inona na inona ny ramatoa iray tompon-tsena. […]
Ambohibao: vehivavy naratra nodarohan’ny sakaizany
Saika namoy ny ainy mihitsy ilay tovovavy nodarohan’ny sakaizany tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Morondava, kaominina Ambohibao, ny alahady alina teo. Potika tanteraka ny tarehin’ilay tovovavy sady nihosindra tanteraka. Voalaza fa resaka hasarotam-piaro no nitarika ity sakaizany hanao herisetra tamin’io olon-tiany io. Henon’ny olona mpiray vodirindrina aminy ny herisetra nataon’ity tovolahy […]




