Depiote Imbiki Herilaza: “Tsy tokony hisy intsony ny fanaovana ankilabao ny fifidianana”

“Tsy tokony hisy intsony ny fanakanana na tsy fandrai­sana anjara na fanaovana ankilabao amin’ny fifidianana. Na amin’ny antoko miaraka amin’ny fitondrana izany, na ny antoko mpanohitra, na ny mahaleo tena”. Io ny fanehoam-pijerin’ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Heri­laza, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Samy tokony hanana zo feno hirotsa-kofidina ny rehetra, tokony hahatsapa hoe manana adidy amin’ny firenena fa harena ny fahasamiha­fana. Tsy tokony hieritreritra ny rehetra hoe hanao na tsia ny fiifidianana, fa entanina handrotsaka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina.
Marina fa mafimafy ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofi­dina. Nefa ny fandaniana amin’ ny fifidianana no mahatonga an’izay, fandraisana anjara amin’ny fanontana biletà to­kana. Araka ny lalàna, rehefa mahazo mihoatra ny 10% amin’ny vato manankery ny kandidà dia miverina aminy ny anto-bola fa tsy mijanona amin’ny fitondram-panjakana. Afa-manao ezaka ny rehetra mba hahitana an’izay anto-bola izay, raha tena fitiavan-tanindrazana no manosika amin’ny firotsahan-kofidina. Izay no hahazoana mandro­tsaka ny antontan-taratasy fi­rotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna na ho mpanolotsaina.
Tsy tokony hohadinoina fa rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina ny ben’ny Tanàna, fa ny mpanolotsaina no mpanapa-kevitra. Lasa miteraka sakana ny fifanoheran’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, raha tsy mitovy hevitra.

R. Nd.

Partager sur: