FANTINA sy FINTINA

Ny tantara no mahatonga ny olona ho liana be amin’ny fanarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Mandalo ben’ ny Tanàna, olona, ny mpanao politika iray, mahazo hery amin’izany izy dia manao hetsika; avy eo, mandrom­baka fahefana. Aorian’izay vao mandalo fifidianana.

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsim­ba­zaza, ny faran’ny herinandro teo ny minisitry ny Mpo­nina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, izay samy depiote talohan’ny nanendrena azy. Voaresaka tamin’izany ny hisian’ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana.

Nodimandry ny sabotsy teo ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Rajaonah Alice, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitantana io anjara toerana io izy nanomboka ny taona 2002 hatramin’ny 2004. Anisan’ny voatendry ho mpitahiry ny tombon-kase teo anivon’ny governemanta notarihin’i Jacques Sylla ihany koa izy tamin’izany. Vehivavy voalohany nitana io toerana io teto Madagasikara izy.

Tanterahina ao Taolagnaro, ny 11 hatramin’ny 14 septambra 2024 izao, ny fiofanana momba ny tetibola ara-pandaharanasa sy ny “Comptabilité des ma­tières”. Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny INDDL. Tanjona amin’izany ny hahamatihanina ireo tomponandraiki-panjakana hanatanterahina fitsinjaram-pahefana tena izy.

Partager sur: