Mois : septembre 2024

Antsirabe : ambohi-pihaonan’ireo farmasianina

Hatao any Antsirabe ny Andro maneran-tanin’ny Far­ma­sianina, ny 25 septambra izao. Hifanindran-dalana amin’izany ny Herinandron’ny Farmasia ny 26 sy27 septambra. Lohahevitra voizina mandritra ny hetsika ny “Far­masianina: miatrika ny filàna ara-pahasalamana maneran-tany”. Fihaonan’ireo antokon’asa rehetra misehatra ao amin’ny tontolon’ny farmasia miaraka amin’ireo mpianatra ho farmasianina eto Madagasikara ireo 3 andro […]

Fahasalamana manakaiky vahoaka : hisitraka fitsaboana ny eny Namontana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatao eny amin’ny foibem-pahasalamana Namontana ny hetsika, ny 19 sy 20 septambra izao. Ankoatra ny fizahana ankapobeny, hisy ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida sy ny fandraisana an-tanana ireo mitondra izany aretina izany. Eo koa ny fitarafana ho an’ny vehivavy mitondra […]

Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana: tanora 15-24 taona miisa 6 000 mitondra ny VIH/Sida

Nanomboka ny taona 2022 no ho mankaty, 30 ny olona tonga nitily ny VIH/Sida tao amin’ny Centre Hygeina medical. Roa tamin’ireo no nitondra ny tsimokaretina ary efa nalefa eny amin’ny toeram-pandraisana manokana Sisal. Nanao fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida, om­a­ly, teny anivon’ny toeram-pandraisan’ny Hygeina medical Andraharo, ny mpanao gazety mivondrona ao […]

VAOVAO TAMBATRA

307 000 taonina isan-taona ny filana trondro eto Madagasika saingy mbola tsy mihoatra ny 142 000 taonina ny vokatra azontsika. Manome tohana ho fampakarana ny vokatra ny minisitera amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanampiana ny akora ilaina ka nampitombo ny isan’ny mpiompy trondro ho 30 800. Haingam-pitombo sy mora lehibe ireo karazan’omby Montbéliard nampirantiana […]

Amoron’i Onilahy ; mampitombo ny velontena ny fiompiana trondro

Mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mponina ao amin’ny faritra Amo­ron’i Onilahy, any atsimo andrefan’ny Nosy. Mivelona amin’ny fambolena ny ankamaroan’izy ireo saingy ambany ny fidiram-bolany. Antony mahatonga ny mponina mitady vahaolana maharitra am­piasana ny loharano any an-toerana. Nampiofanina mo­mba ny fiompiana trondro an-dobo sy fiompiana trondro an-tanimbary ireo […]