Mois : septembre 2024

TSELATRA

Olona roa maty raha telo naratra mafy vokatry ny fifandonana tamin’ny malaso tao amin’ny fokontany Andranovaky, kaominina Manorofify, Toliara II, afakomaly. Dahalo ampolony nirongo basy mahery vaika no nanafika tao Ankoro Saint Augustin, ny alatsinainy teo. Nifanehatra tao Andranovaky ireo malaso sy ny mpanara-dia ka niafara tamin’ny fifandonana izany.

Nifanenjehan’ny fokonolona : roa lahy mpangala-boamaso maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa lahy mpangalatra voamaso tao amin’ny koaminina Ambatolahy, distrika Ihosy, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana fa nisy namaky ny fasana vao avy nandevenena ny 13 septambra lasa teo. Noloaran’ ireo tsy valahara tamin’izany ny mason’ny faty iray nalevina tamin’io fotoana io. Nanao ny fanarahan-dia […]

Lasa ny 9 tapitrisa Ar: traiteur nivadi-pitokisana tanaty vodiondry

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny lehilahy iray mpikarakara sakafo «traiteur» nivadi-pitokisana, nitsoaka fikarakarana sakafona mpanambady hatao vodiondry. Henatra, fahafaham-baraka ny an’ireo fianakaviana roa tonta tamina raharaham-pianakaviana iray teny Ampitatafika, ny alakamisy teo. Fahadisoam-panantenana no niseho tamin’ireo fianakaviana nanatrika ilay fanateram-bodiondry satria tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ilay «traiteur» […]

Nivoa-dra ny orony: fatin-dehilahy tao ambany tetezan’Anosizato

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tetsy ambany tetezana Anosizato, omaly. Ahin’ny nanatri-maso ho novonoina izy. Ny fanadihadiana kosa no hamaritra ny tena zava-nitranga. Nivoaka ra ny orony sady kiaka ny faritry ny lamosiny, raim-pianakaviana iray hita faty tetsy Anosizato, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra olona nitsirara teo ambony vato. Tsy nisy […]