Mois : septembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, omaly, ny ambasadaoron’ny Repoblika arabon’i Egypta, Rabab Saïd Abdou Abdelhadi. Voaresaka tamin’izany ny amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Eo koa ny amin’ny fifanohanana amin’ny fifidianana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay andraisana anjara. Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara […]

« Africa 50 » : hahazo tombony manokana i Madagasikara

Hotanterahina ny 19 sy 20 septambra 2024, eny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny fivoriamben’ny “Africa 50”. Fire­nena 31, avy eto Afrika, miaraka amin’ireo mpamatsy vola sy mpanatanteraka tetikasa ary mpanapa-kevitra, eo amin’ny sehatra maro no handray anjara amin’izany. Mandritra ity fivoriana iraisam-pirenena ity no hihaonan’ny tolotra sy […]

Varimbarian’ny lavitra isika

  Izao vao azo lazaina fa tafaverina tanteraka eo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafapetraka ny maha izy azy ilay Malagasy. Tsy mitsahatra misokatra ho antsika ny varavaramben’ilay manontolo lehibe iray antsoina hoe « izao tontolo izao ». Manao ranolava ny fahatongavan’ny masoivoho vahiny. Tsy tambo isaina ny fitsidihan’ny vahiny […]

Frantsa – Madagasikara: nitsidika ny filoha Rajoelina ny vondron’ny loholona frantsay

Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara, amin’ireo firenena any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany izao fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo loholona frantsay, omaly, izao. Nihaona sy nifampidinika tamin’ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina An­dry, teny amin’ny Lapam-panjakana, Ambohitsorohitra, omaly, ny vondron’ny loholona frantsay. Voaresaka tamin’izany ny sehatra marolafy amin’ny fifanohanana eo amin’i […]