Mois : septembre 2024

Ravalomanana Marc : tsy misy idiran’ny fanjakana ny tsy fahazoany mirotsaka

Tsy misy ambadika politika fa olana amin’ny antontan-taratasy no sakana ho an’ny Kandidan’ny Tim, Ravalomanana Marc. Tsy misy idiran’ny fanjakana izany. Mila manara-dalàna ny rehetra, hoy Rakotondrazafy Lalatiana. Terena ho misy antony politika ny tsy fahazoan’ ny filoha teo aloha, Rava­lomanana Marc, mirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna. Ny tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy […]

TSELATRA

Nitrangana fanafihan-dahalo mirongo basy mahery vaika tao Antsakoamarigne sy Andriambe, kaominina Imanombo, afakomaly. Lasan’ireo mpanafika ny fananan’ireo olona rehetra tao amin’io tanàna io. Olona iray maty notifirin’ireo malaso rehefa nikasa hanohitra. Tsy vitan’izay, mbola nodoran’izy ireo koa ny tanàna. Trano 48 tafo kilan’ny afo. Naratra ny renim-pianakaviana iray nofaohan’ny bisikileta […]

Nandoro fananan’olona : olona 19 niara-naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ireo 19 voasaringotra tamin’ny fandorana sy fanimbana ny entana rehetra, an’ny mpandraharaha iray, tao Antsambalahy, distrika Port-Bergé, ny 13 septambra teo. Faty antoka tanteraka no nianjady ilay tompon’entana lasibatra satria nivadika ho lavenona ny fananana nohariana tao anatin’ny taona maro. Tsy vitan’io, nosimbasimban’ny andian’olona ny gony […]

Soaniadanana : roa lahy tratra teo am-pangalarana

Voasambotry ny zandary tao Soaniadanana, distrika Ankazobe, omaly maraina, ireo jiolahy roa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana sy fanimbana fananan’olona. Tapitra very ny jiron’ireo olona mipetraka ao amin’ny tanàna vaovao niorina tamin’ny alalan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe. Maro ny fitarainana voarain’ny zandary momba ny fisiana fanimban-javatra ao amin’ity […]

Disadisan’ny mpinamana : lehilahy maty voatsindron’ antsy

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nifamono tamin’ny namany, afakomaly. Voatrobaka ny tratrany. Voasambotry ny polisy ny nahavanon-doza. Voatsatok’antsy teo amin’ ny faritry ny tratrany, namoy ny ainy, ny lehilahy iray tao amin’ny Croisement Sotema, kaominina Mahajanga Renivohitra, afakomaly. Mifankahalala ihany izy mirahalahy nifampikasi-tanana ireo. Mpiray tanàna rahateo ka tsy […]