Nohavaozina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Onudi sy ny Oniversite Antananarivo, mahakasika ny fanofananana momba ny fitantanana ny loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ny fifehezan’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo ny lafiny fiovan’ny toetr’andro sy ny vokatry ny fiakaran’ny maripana, ny sosona ozôna miha-manify, sns. Mitentina 4 tapitrisa dolara isan-taona ny fampiasam-bola […]
Mois : septembre 2024
Sosona Ozôna: tokony hiverina amin’ny laoniny amin’ny 2050
Nankalazaina omaly 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny sosona Ozôna. Sosona eny amin’ny habakabaka miaro ny hafanana avy any amin’ny masoandro ity sosona ity. Misy fahasimbany anefa izy io, noho ny asan’ny olombelona, ka mihamanify, na mety misy mitriatra mihitsy aza, mahatonga ny fiakaran’ny maripana. Manampy an’i Madagasikara amin’ny […]
Harena an-kibon’ny tany: hiditra amin’ny fanomezan- dalana elektronika
Mivoatra ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika, taorian’ny nivoahan’ny lalàna vaovao mifehy azy, ny taona 2023, hampiasaina ny teknolojia niomerika hanamorana ny fitantanana. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), Rakotomalala Olivier, omaly, fa mavesatra sy be loatra ny lalàna mahakasika ity sehatra ity. […]
TARATRY ny KANTO
Gazela Meva – ampahafantarina mandritra ny «Sehatry ny mpanoratra». Niova an’izay ilay «Volana iray, mpanoratra iray», tetikasa mitohy an’ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy ny serasera. Ampahafantarina mandritra ity volana septambra ity i Gazela Meva, mpanoratra, poeta, mpilalao an-tsehatra, mpamelona tantara an’ onjam-peo, sns. Hampahafantarina, mandritra izany, koa ireo sanganasany. Hanatanteraka […]
8 taona niketrehana… : “Masoandro”, rakikira voalohan’i Day
Tsy toa ireo mpanakanto mihazakazaka amin’ny famoahana vokatra izy… Tsy maika ny hiaka-daza koa, kanefa nizara ny mozikany teo foana. Izao vao tapa-kevitra ny hamoaka ny rakikirany voalohany i Day. 8 taona no niketrehany ny “Masoandro”, izay haroso ho eny an-tsofina sy hipaka any amin’ny atifanahin’ny tena mpankafy mozika amin’izay. […]




