Mandeha ny fanamboarana tetezana any amin’ny lalam-pirenena faha-7, (PK 416+300), any Mahazengy Fianarantsoa. Nametrahana tetezamby vonjimaika any an-toerana, satria tapaka ny vahilava noho ny rivodoza Alvaro, ny janoary 2024 teo. Efa vita ny tetezana beton (dalot cadre), ka hoesorina amin’ny novambra ho avy izao ny tetezamby vonjimaika eo amboniny. Misitraka […]
Mois : septembre 2024
Ambatovy : nisy nitriatra ny fantsombe mitondra akorantany
Nahitana tsy fahatomombanana tampoka ny fantsombe « pipeline », mitondra ny akorantany avy any Ambatovy Moramanga mankany Toamasina. Nitranga izany ny 25 septambra teo tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny fokontany Akorabe, kaominina Ranomafana Atsinanana, disitrika Brickaville. Niaraka nitondra fanazavana, omaly, ny talen’ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana sy any ivelany ao […]
JMT : tafapetraka ireo vina sy fanamby
Ambohipihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany eto Madagasikara, hanamafisana ny maha zava-dehibe ity sehatra ity sy hanehoana ireo olana sy fanamby atrehiny ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT) natao tany Antsirabe, ny 26 sy 27 septambra teo. Nasongadina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra samihafa sy mpandraharaha eo […]
We Finance Code (WeFi Code) : hampiroborobo ny fandraharahan’ny vehivavy
Nampahafantarina afakomaly, teny amin’ny foiben’ny Banky iraisam-pirenena Anosy, ny fandaharanasa We Finance Code (WeFi Code). Hanohana sy hanampy ny famatsiam-bolan’ny vehivavy mpandraharaha ary hamorona asa marin-toerana sy maharitra ny tetikasa. Iray amin’ireo firenena sivy aty Afrika hanatanterahana ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena «Woman Entrepreneurs Finance Initiative Code» (WeFi Code) i Madagasikara. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, diviziona voalohany, « XXL Top 12 ». Hamarana ny fifanandrinana eny an-toerana ny lalao izay hihaonan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo. Nahatratra 156 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]




