Mois : septembre 2024

Volley-Mada D1 : tafakatra manasa-dalana ny GNVB 1 sy 2

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana, anio, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 1ère division, taranja volley-ball. Ekipa misongadina ny GNVB 1 sy ny GNVB 2, izay samy tafakatra amin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana ny voka-dalao, seta 3 no ho 0 (25-14/25-14/25-13) no nandresen’ny GNVB 1 ny ekipan’ny […]

kitra – «D2 Nationale» : hafana ny fiadiana ny toerana faharoa

Na efa fantatra mialoha aza fa ny FC Avenir Androy no tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny “World Cola Champions League” na ny “D2 Nationale”, taranja baolina kitra, mbola ady goavana ny laharana faharoa. Ho fantatra rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium izany. Hiady ny tapakila amin’izany toerana izany ny FCA […]

Rugby – « WXV III » : nanaovan’i Espagne fampisehoana ny Makis Ladies

Ratsy ny vokatra ho an’ny vehivavy malagasy Makis Ladies, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja rugby, « WXV III », izay atao any Dubaï. Nomontsanin’i Espagne 83 no ho 0 izy ireo, omaly. Niraraka toy ny rano ny baolina nentin-tanana vitan-dry zareo espaniola, omaly, tao amin’ny Kianja Sevens Stadium Du­baï, raha […]

Herinandro maneran-tany ho an’ny marenina : nanomezan-danja ny zo amin’ ny teny tanana

Nankalaza ny Herinandro maneran-tany ho an’ny marenina, izay nanomboka ny 23 hatramin’ny 29 septambra, ny Akanin’ny Marenina 67 ha, omaly. Lohahevitra nanamarihana izany ny “Mirotsaka ho amin’ny zo amin’ny teny tanana”. Manodidina ny 2 hetsy ny isan’ny marenina eto Mada­ga­sikara, raha ny antontanisa nivoaka farany. Eto Anta­na­na­rivo ny 20 000 […]

Andron’ny InTra : Iorenan’ny asa eto Madagasikara

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fankalazana ny andron’ny Institut national du travail (InTra). Hetsika voalohany notontosaina teto Madagasikara, niaraha-niasa tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Mifototra amin’ny fanohanana ireo orinasa manodidina ny 100, sokajy samihafa, eto amin’ny Nosy, ny hetsika ataon’izy ireo amin’ny ankapobeny. Tanjona ny hampiroboroana […]