Mois : septembre 2024

Kaominina Antananarivo Renivohitra : olona 3 000 nangataka fanazavana momba ny fandoavan-ketra

Manao fanamorana ny fandoavana hetran-trano ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021-2022. Mamaly ny fanazavana momba izany ihany koa ny vaomiera manokana natsangana. Nisy ny atrikasa fandresen-dahatra sy fanazavana momba ny hetran-trano 2023 (Ifpb), ataon’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, ny herinandro teo. Tapaka tamin’izany fa hivoaka manomboka ny volana oktobra […]

Taekwondo – Seksiona Ambohidratrimo : mpikatroka 66 nifanintsana tetsy Ivato

Notontosaina teny amin’ny Esca Para RFI Ivato ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, seksiona Ambohidratrimo, sokajy zandriny sy zokiny, Sénior, lahy sy vavy. Miisa 66 mianadahy ireo mpikatroka tonga namaly ny antso teny an-toerana. Avy amin’ny klioban’ny Esca Para sy ny ETAA izy ireo. Nisongadina tamin’izany ny mpikatroka avy amin’ny […]

Baolina kitra: mitady mpilalao hanatevina azy ireo ny Disciples FC

Taorian’ny fiatrehan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny “Ligue des Champions (LDC) Caf 2024”, ny volana aogositra lasa teo. Nilaza ny loharanom-baovao iray ao amin’izy ireo, omaly, fa mitady mpilalao hanatevina ny ekipany, amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra, efa misy mpilalao roa avy amin’ny klioba iray mifanintsana amin’ny “Pureplay Football League” […]

Volley-ball – “Open 2è division” : Tompondaka ny ASI sy ny Squad 1

Nivoaka ho mpandresy nandritra ny fifaninanana “Open division Analamanga”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny ASI sy ny Squad 1. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankatso, ny fifaninanana “Open 2è division Anala­manga”, taranja volley-ball. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy ary ny Squad […]