Mois : septembre 2024

Kaominina Ankadinondry : mpisoloky manao fanamiana miaramila

Nisandoka andraikitra, na­nao fanamiana tsy ara-dalàna, ka nosamborin’ny zan­dary ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Manarin­tsoa, kaominina Ankadinondry, ny sabotsy 14 septambra teo. Nitonon-tena ho mpitandro filaminana, nanararao-pahefana, tao amin’ny trano fisotroana tao Bejofo io lehilahy io. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray monina ao Manarintsoa. Nosolokian’io lehilahy io ary norahonany […]

Fanadinana ho zandary : tra-tehaka ny tambajotra “Rambo III”

Notanan’ny mpitandro filaminana atao fanadihadiana ny tompon’ny kaonty sandoka amin’ny facebook “Rambo III”, afakomaly. Mpandray anjara mivantana amin’ny fanadinana ho mpianatra zandary io lehilahy io. Vokatry ny fikarohana nataon’ny zandary, fantatra fa misy kaonty sandoka manaparitaka ny valin’ny laza adina hanadinana ireo mpiadina amin’io fifaninana hidirana ho zandary io. Nosamborina […]

Halatra omby : dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Ankazomiriotra, ny 13 septambra teo. Nifoha maraina toy ny mahazatra ny tompon’omby vao nahatsikaritra fa tsy tao intsony ny fananany. Nampandre ny zandarimaria miasa ao an-toerana avy hatrany izy. Nanao fanarahan-dia sy nijery tamin’ny tanàna manodidina ny fokonolona. Naharay […]

VAOVAO TAMBATRA

Miakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra, nandritra ny 6 hatramin’ny 12 septambra teo. Avo 2 heny (30µg/m3) miohatra amin’ny fetran’ny OMS (15µg m3) ny refy voaray, ary mbola hitohy hatramin’ny anio. Eny Amboditsiry no tena maloto indrindra, ary manaraka azy ny eny Andranomena, Soanierana, Antsakaviro, Ambatobe, Ampandriano­mby, sns. Lasa […]