Nihaona tamin’ny mpiara-miasa aminy, eny amin’ny departemantan’ny Asa tanana, eny amin’ny Cenam Andavamamba, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, ny 13 septambra teo. Nohazavainy fa anisan’ny tena mampandeha ny taozavatra vokarintsika sady antoka ho fampandrosoana anatiny, ny fahamaroan’ny fahatongavan’ny mpizahatany mitsidika an’i Madagasikara. Mila miray fo […]
Mois : septembre 2024
Base Toliara : manohitra ny fisakanana ny tetikasa ny olobe
Mitohy ny fitakian’ireo olobe ny hanokafana ny tetikasa Base. Toherin’izy ireo koa ny lainga fanahy iniana afafy hanakanana ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy mitsaha-mitombo ! Manamafy ny antso hanokafana indray ny orinasa Base ny olobe sy ny vovonana ahitana ny foko samihafa any Toliara, toy ny vezo, […]
INDRAY MIJERY
Nihaona tany Taolagnaro, ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam). Nanao ny tombana ny asa vita ho an’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izy ireo. Fotoana ihany koa nitsidihina ny toerana fitahirizana tsakafo any an-toerana. Nandritra ny fitsidihan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany Tsihombe- Androy, […]
EPP Ambohimahitsy : nohavaozina ny fotodrafitrasa
Notokanana ny sabotsy teo ny fanavaozana ny EPP Ambohimahitsy, anatin’ny kaominina Ampitatafika. Nandray an-tanana ny asa ny Lions club Antananarivo Iarivo. “Efa simba sy potika vokatry ny natiora sy ny fahelan’ny taona ny sekoly ka hitondra vokatsoa ny fanavaozana azy”, hoy ny talen-tsekoly, nandritra ny lahateniny. Nasiam-panavaozana ny dalazy sy […]
Akany Arivonimamo : nampian’ny Amerikanina ireo zanaka zandary
Nahatsiaro manokana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akanin’ny zandarimariam-pirenena ao Arivonimamo ny masoivoho amerikanina, amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao. Niaraka tamin’ny ekipany, ny masoivoho i Pierangelo Claire, nanatitra fitaovam-pianarana sy sakafo ho an’izy 84 mianadahy zanak’ireo zandary lavo am-perinasa tezaina ao amin’ny akany. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny akany no natao ary […]




