Mois : septembre 2024

Foire Internationale de l’Agriculture (FIA): hasongadina manokana ny vokatry ny tanora

Hanasongadinana ny fanamby ho amin’ny fampivoarana ny famokarana sy ny toekarena ny Tsenabe iraisam-pire­nena ho an’ny Famokarana (FIA) andiany fahenina. Hojerena manokana ny fandraharahan’ireo tanora sy ny vokatra entiny. Laharam-pahamehana mandritra ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ ny Famokarana (FIA), andiany fahenina, eny amin’ny Parcs des Expos Forello Tanjom­bato, ny tanora […]

INDRAY MIJERY

Manao fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny valanaretina pesta isika amin’izao fotoana, ka mila fahamailoana tanteraka. Tokony hatao ireo fihetsika rehetra hisorohana ny aretina, toy ny fanadiovana ny manodidina ny tanàna, manatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy aretina mampiahiahy. Hifarana, anio, ny atrikasa fandrafetana ny drafitra […]

Kaominina Ambohimanga: Misitraka toeram-panatanjahantena

Notokanana, omaly, ny toerana fanaovana karazana fanatanjahantena eny amin’ny kaominina Ambohimanga, no­havaozin’ny Fondation Axian. Fotodrafitrasa hahafahan’ireo tanora mivelatra amin’ny se­hatry ny fanatanjahantena izay fefy iray tsy hironan’izy ireo amin-javatra mamohehitra. Be­tsaka rahateo ny tanora mankafy fanatanjahantena ao an-toerana ka hanampy azy ireo ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Mirefy 288 m2 ny toerana […]

Cisco Mahabo : nomena tohana ireo mpianatra sangany

Notolorana fitaovam-pianarana sy tohana ara-bola ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC farany teo tany amin’ny faritra Menabe, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Mahabo. Natao ny hetsika mba ho fankasitrahana feno tamin’ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-panalana fanadinana. Hampirisihina ihany koa ireo ankizy hanala ny fanadinana amin’ity taom-pianarana vaovao ity […]

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitaterana

Iankinan’ny fiainan’ny mponin’Antananarivo ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Mafy ny fitohanana, miteraka fahatarana ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpiasa. Mijery vahaolana ireo tomponandraikitra. Nihaona ary nidinika mo­mba ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny fitaterana eto Antananarivo ny PDS Ramanantsoa Harilala sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana […]