Mois : septembre 2024

Fifidianana kaominaly : hivoaka ny 8 oktobra ny lisitra ofisialy

Omaly hatramin’ny 29 septambra ho avy izao no mamoaka ireo lisitra mahafeno fepetra tamin’ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina ny eny anivon’ny rantsamangaikan’ny Ceni mpikirakira izany (Ovec) eny anivon’ny distrika. Araka ny loharanom-baovao avy eny amin’ny Ceni, Alarobia, omaly, izay. Amin’izao fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna hatao amin’ny 11 desambra […]

Ilay anaran-dray!

  Resabe teny anivon’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mahakasika ny filatsahan-kofidin’ny zanaky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’Antananarivo. Nahavariana fa lasa nifantoka be tany avokoa ny seraseran’ny mpanohana fitondrana. Nitabataba sy nanakiana ary nanatsatso ny zava-niseho. Paikadin-tserasera diso amin’ny tontolo politika, indrindra raha mijery ny […]

Kaomisiaonin’ny ranomasimbe Indianina : misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara

Anisan’ny hanasongadina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amn’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao maha sekretera jeneralin’ny COI, an-dRazafindravahy Edgard izao. Tanterahina ao amin’ny Hilton, ao Flic en Flac, Maorisy, ny alatsinainy 30 septambra 2024, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneraly vaovaon’ny Kaomisiaonin’ny ra­no­masimbe Indianina(COI), Razafindravahy […]

TSELATRA

Naratra ny zazakely iray nianjeran’ny vilany feno laoka mbola mangotraka, teny Bongatsara, omaly atoandro. Variana nilalao ilay zazakely ka voasaringotry ny akanjony ny vilany misy laoka nandrahoin-dreniny teo an-tokotany. Nentina namonjy hopitaly ilay zaza. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, ilay lehilahy tratra nandoro tanety teny Ambodirano, Ambohimanandray, fokontany Antanimarina, […]

Ankasina : roa lahy nangalatra vola 5 hetsy

Jiolahy roa, nandroba tao amina tokantrano iray tetsy amin’ny fokontany Ankasina, afakomaly maraina. Nitondra sabatra lavalela, niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo jiolahy. Ny zana-drahalahin’ny tompon-trano no niambina ny trano tamin’io fotoana io. Nanao mora ny nangalan’ireo mpandroba ny entana sarobidy. Voaroba ny fahitalavitra, lektera niampy lelavola nitentina 500 000 […]