Mois : septembre 2024

Minisiteran’ny Mponina : nomena fanampiana ireo mpiasa

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nisitraka tolotra fanampiana, araka izany, ireo mpiasam-panjakana misehatra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Nahitana fitaovam-pianarana kahie 200 sy 100 pejy ho an’ny zanaky ny mpiasa ny tolotra. Ao koa ireo kojakoja madinika ilaina amin’ny fianana […]

Mitohy ny fitsirihana: mila fantarina ny fanafody hositrahina maimaimpoana

Zava-dehibe ny fahafantaran’ny rehetra ireo karazam-panafody maimaimpoana eny amin’ny CSB. Ialana amin’ny fanambakana sy fanararaotana ny mangarahahara momba izany. Manohy ny fitsirihana atao amin’ireo fivarotam-panafody ny minisiteran’ny fahasalamam-ba­hoaka. Nampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fivarotana ireo fanafody maimaimpoana amin’ny fandaharanasan’ny fahasalamana laharam-pahamehana. Nitanisa ny lisitr’ireo karazam-panafody tsy azo amidy fa tokony […]

Fitsinjaram-pahefana: tomponandraikitry ny kaominina 134 misitraka fiofanana

Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 14 septambra 2024, ao Taolagnaro sy Toliara, ny fiofanana momba ny tetibola ara-pandaharanasa sy ny «Comptabilité des matières». Tomponandraikitra avy amina kaominina miisa 134, avy ao amin’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo Andrefana no misitraka izany fiofanana izany. Ny minisite­ran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny […]

Fiatrehana ny loza voajanahary: miara-miasa i Madagasikara sy i Seychelles

Noraisin’ny Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Ra­hara­ham-bahiny malagasy, Rakotomalala Herizo, tetsy Anosy, omaly, ny tale jenera­lin’ny BNGRC, miaraka amin’ ny delegasiona anatin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary eo anivon’ny minisiteran’ ny Atitany ao Seychelles. Tan­jon’izao fihaonana izao ny fa­na­mafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana fahaiza-manao ary traikefa eo amin’i Madagasikara […]

Minisitry ny Fitsarana: “Mila aseho ny vahoaka fa miezaka manadio ny fitsarana ny minisitera”

Mitohy hatrany ny ezaka samihafa ataon’ny tomponandraikitra misahana ny eo anivon’ny fitsarana, amin’ny fametrahana fitsarana mangarahara sy tsara tantana, lavitry ny kolikoly. Tanterahina nanomboka ny 10 hatramin’ny 13 septambra 2024, eny amin’ ny ENMG Tsaralalàna, ny atrikasa momba ny fanombanana sy fanadihadiana ny rafitra sy ny fomba fiasa ao amin’ny […]