Tsy mifanalavitra fa mifameno ! Tsy kanto ny zavakanto raha tsy manaja ny soatoavina. Famaritana faran’izay tsotra. Ny soatoavina malagasy, manaja raiamandreny, olom-pady. Misy amin’ny «zavakanto» sasany, anefa, mampiseho endrika mifanohitra amin’ireo. Dihy tsy fampiseho masoandro. Sary sokitra maneho endrika miboridana, mamoafady… Simba ny soatoavina. Mahavariana, anefa, fa mbola misy […]
Mois : septembre 2024
Fondation H Ambatomena : vehivavy mpanakanto sangany telo hiray sehatra
Fampisehoana anisan’ny hiavaka sy maro mpiandry ity hatao eny amin’ny Fondation H Ambatomena ity. Vehivavy mpanakanto telo, samy sangany amin’ny zavakantony avy no hamondrona ho iray izany. Hotanterahina ny 20 septambra 2024, eny amin’ ny Fondation H Ambatomena, ny seho an-tsehatra «Injay !». Fampisehoana haisoratra sy mozika narindran’i Christiane Ramanantsoa […]
Zavamaniry jatropha : ahazoam-bokatra sy angovo biolojika maro
Fantatra hatramin’ ny fahagola, fa zava-maniry ahazahoam-bokatra sy angovo biolojika maro ny jatropha. Anisan’ izany, ny solika miaro ny tontolo iainana. Ahitana azy io maniry betsaka indrindra ny any amin’ ny faritra maina sy mafana manerana an’izao tontolo izao. Maro ny anarana fiantso ity zavamaniry iray ity, raha any Afrika […]
VAOVAO TAMBATRA
Manampy an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny lalana i Japana. Anisan’ny fotodrafitrasa lehibe namboariny tamin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica), ny tetezan’i Mangoro sy Antsapazana any amin’ny lalam-pirenena faharoa RN2. Manohana koa ny Jica amin’ny fandrafetana paikady hikojakojana ny lalana mba haharitra. Miara-mientana amin’ny sehatra tsy miankina ny fitantanana foibe ny hetra […]
Andekaleka : tanjaka 60 MW amin’ny 125 MW sisa no azo
Tsy mitsaha-midina ny haavon’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka, mamokatra herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mitatitra ny Jirama, fa zara raha mahazo 29 na 30 m3 isaky ny segondra ny tosiky ny rano avy any amin’ny tohodrano, raha tokony ho 48 m3/segondra. Milina roa amin’ireo efatra misy any an-toerana sisa […]




