Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina? Toa mifampiandriandry be ihany ny rehetra. Tsy firy no efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny. Eo koa ny fitarainan’ny manam-pikasana hirotsa-kofidina sasany etsy sy eroa: sarotra ny fahazoana ny taratasy toy ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny taratasy fitanisan-keloka, ny fanamarinana ny […]
Mois : septembre 2024
Toekarena manga : fanoitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga. Manana harena an-dranomasina azo trandrahana sy hametrahana ireo vinam-pampandrosoana samihafa ny Nosy malagasy. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga noho izy misandrahaka amina sehatra maro. Nisongadina manokana nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena […]
TSELATRA
Fatin-dehilahy hita teny amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana I, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsikan’io lehilahy io. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona. Niezaka namantatra io olona io ny manodidina saingy tsy hain’izy ireo io olona namoy ny ainy io. Taksibrosy iray mampitohy […]
Tsiroanomandidy : dahalo fito maty voatifitra
Lavon’ny basin’ny mpitandro filaminana ny dahalo fito lahy mpangalatra omby, tao amin’ny fokontany Antsakaviro, kaominina Antsahalava, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 9 septambra teo. Nirongy fitaovam-piadiana mahery vaika sady nivatsy ody ratsy ireo dahalo. Noraofin’izy ireo ny omby. Nanaradia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo mpandroba. Vokany, namoy ny ainy […]
Nanolana ankizy 13 taona: maty voatifitry ny zandary i Mesia
Lavo ihany ! Maty voatifitry ny zandary tao Ambohimana Farafangana, afakomaly, ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Mesia tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 13 taona. Voaolana ka namoy ny ainy tao amin’ny CSB2 Ambohimana ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Voalaza fa efa ela no niharan’ny fanolanana ity […]




