Anisan’ireo faritra nananganan’ny fitondram-panjakana kianja mitafo, ny faritan’i Mahajanga. Efa anatin’ny famaranana ny asa fanamboarana amin’izao ary efa vita ny 97 isan-jato, raha ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Adbulah Marson Moustapha, tany an-toerana. Ny 10 isan-jato sisa no vitaina, hanaovana ny famaranana ny asa sy […]
Mois : septembre 2024
Fifanintsanana “Can 2025”: sahirana ny Barea ao amin’ ny vondrona “A”
Ady sahala no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany sy faharoan’ity fifanintsanana handraisana anjara amin’ny « Can 2025 » ity. Manana isa iray ny Barea, taorian’izay lalao roa natao izay. Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Hamadi Aguerbi Rades Tunisie, ny andro faharoan’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao […]
RN 2 : tratra ireo mpangalatra lafarinina
Noraisim-potsiny! Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary mpanao fisafoana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2) tao Bekalalao, kaominina ambanivohitr’i Fanandrana distrika Toamasina II, ny alin’ny 7 septambra 2024, no nahatrarana ireo telo lahy nangalatra lafarinina. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana kamiaobe iray nijanona teo amoron-dalana, tao Ampasimadinika Ranofotsy, ary nahita […]
Distrikan’i Manandriana : dahalo maty voatifitra
Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. […]
Rio Tinto QMM : nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra
Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 258 ao amin’ny kaominina valo, ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro, omaly, ny Rio Tinto QMM. Nandritra ny taona maro, nandray andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana hetsika maro ny Rio Tinto QMM mba hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana misy eto amin’ny Nosy. Mba hanenana ny […]




