Mois : septembre 2024

Fivoriambe Africa 50: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa

Hotanterahina ny 19 septambra, eto Antananarivo, ny fivoriambe Africa 50 izay handraisan’ireo tomponandraiki-panjakana anjara sy mpamatsy vola samihafa. Laharam-pahamehan’ny Africa 50 ny fametrahana fotodrafitrasa aty Africa. Sehatra iray lehibe sy fitaovana fampiharana vaovao ho an’ny fampandrosoana sy famatsiam-bolan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Ifantohan’ny Arica 50 manokana ny sehatry […]

« WorldSkills 2024 »: Hifantoka amin’ny tontolon’ ny fanorenana sy ny teknolojia

Nanomboka omaly, ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao, ny hetsika “WorldSkills 2024” izay atao any Lyon-Frantsa. Lalao Olympika ho an’ny asa tanana ny hetsika ka tanora manana talenta avy amin’ny sehatra matihanina samihafa manerana izao tontolo izao no mandray anjara amin’izany. Handray anjara amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny teknolojia […]

Madagasikara- Chine: hampiroborobo ny voly vary safiotra

Laharam-pahamehan’i Madagasikara ny hamokatra vary safiotra. Tanjona ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Iaharana miasa amin’ny Chine ny fanaovana izany. Tontosa omaly, tany Chi­ne, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Chine mom­ba ny voly vary safiotra. Ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahin’ny Avo, no nanao […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo fitaovam-pamokarana ny tantsaha, anaty fikambanana miisa 8, ahitana mpikambana 920 any amin’ny kaominina Ranopiso, faritra Anosy, ny 8 septambra teo. Anisan’izany ny «motoculteurs» miisa 4 miaraka amin’ny «remorques», angadin’omby 40, sarety 7, siny fanondrahana 28, motopompe, 2, hersa, masomboly katsaka sy tsaramaso. Niofana ireo teknisiana malagasy, handray anjara amin’ny […]

Emirates: Nahita ny hatsaran’ny Nosy ny « influenceurs » vahiny

Tapitra ny 7 septambra teo, ny dia manokana noka­rakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), ho an’ny zotra mivantana Antananarivo-Dubai, an’ny kaompania Emirates. Nitety ireo toerana mahaliana amin’ny fizahantany eto Ma­dagasikara ny olo-malaza samihafa sy ny mpanao gazety vahiny iraisam-pirenena. Anisan’izany, i Sam Chui, fanta-daza […]