Nihaino ireo mpiara-miasa aminy, tao Toamasina, ny minisitra Razafinjato Aurélie. Tamin’izany koa no namangiany ireo tokantrano marefo ka nanolorany fehezan-karona nahitana vary, menaka, savony, voamaina… Miisa 500 ireo nisitraka izany. Nahitana zokiolona sy olona manana fahasembanana ary renim-pianakaviana. Nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana. “Fampiroboroboana ny fanabeazana amin’ny fitenim-pirenena maro: fampianarana […]
Mois : septembre 2024
Dr Charles Jean Didier-Farahalana : nitombo ny fahavitrihana manatona CSBII
Nanaporofo ny fivoarana nentin’ny tetikasa Usaid Acces eny amin’ireo tobim-pahasalamana eny fitony ny CSB Farahalana, distrika Sambava, faritra Sava, tarihin’ny Dr Charles Jean Didier. Nitombo ny fahavitrihan’ny olona manatona tobim-pahasalamana. Misy tsy tapaka ny fanafody satria efa nahavita fiofanana amin’ny fitantanana fanafody ny ekipan’ny CSBII. Vita tsara ihany koa ny […]
“World Skill Competition” : haneho ny fahaizany ny tanora malagasy
Nanainga ny alahady teo, ho any Lyon, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fifaninanana “World Skill Competition”. Ekipa 15 no handrafitra ny delegasiona ary handray anjara mivantana amin’ny sehatry ny fandrariana Ranaivoson Antraniaina Todisoa sy Ramananjatovo Toniniaina Ismaël. Samy avy amin’ny kaoperativa Maharisoa izy ireo. Hanampy azy ny mpanazatra sy ireo […]
Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana : tokony hijoro hanentana ireo raiamandreny to teny
Mitaky andraikitra amin’ny rehetra ny fanentanana momba ny fampiasana ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Manana adidy ireo raiamandreny to teny eny amin’ny fiarahamonina. Anisan’ny voizin’ny fanjakana ankehitriny ny tokony hampiasana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ialana amin’ny vohoka tsy iriana na ny fiterahana be loatra kanefa tsizarizary. Mbola maro anefa ny […]
Fandraharahana: tokony hifanakalo hevitra ny mpandraharaha
“Tanàn-dehibe manan-karena orinasa Antsirabe, saingy marary ny orinasa ary marefo ny toekaren’ny faritra. Vahaolana ny fiaraha-mientana, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo samy mpandraharaha”, hoy ny filohan’ny Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra (Fiova), Ramarojaona Andrianjafy, nandritra ny fanokafana ny hetsika «Vitrine du Vakinankaratra» andiany faha-26, ny herinandro teo. Mitondra lohahevitra amin’izao hetsika izao ny […]




