“Ankohonana 500 no efa maneho fahavononana hifindra monina any Fieferamanga sy Ambohimiarina, distrikan’Itasy, ao anatin’ilay tetikasa Ankohonana Miarina”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, teny Ambohimangakely, ny sabotsy teo. Efa ela no natao ny fanomanan-tsaina sy ny fiofanana ara-pihariana tamin’ireo fianakaviana ireo. 300 ireo fianakaviana hanainga […]
Mois : septembre 2024
Iray volan’ny aretina Alzheimer : manomana hetsika ny Madagascar Alzheimer Masoandro Mody
“Ho fiarahamonina mampiaty ny mararin’ny Alzheimer” ny lohahevitra hitondrana ny hetsika mandritra ny iray volana momba ny aretina. Misy hetsika avokoa mandritra ny sabotsy telo manomboka ny sabotsy ho avy izao. Volana maneran-tany momba ny aretina Alzheimer ity volana iny. Manomana hetsika maimaimpoana ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody, mandritra […]
Rugby-« XXL Top 12 »: tsy nahovoka teo anatrehan’ ny FTM ny TFMA
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Niondrika teo anatrehan’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 56 no ho 25, ny TFMA Ankasina. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, saingy efa nampoizin’ireo mpanaraka […]
Karate-Afrika: Afa-panadinana ireo Malagasy mpitsara 3 vavy
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona malagasy, miatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika U21, any Tunisie, ny fiatrehan’ireo Malagasy mpitsara, ny fanadinana amin’ny maha mpitsara azy ireo. 3 mirahavavy izy ireo no niatrika izany, izay samy afaka daholo. Anisan’izany, ny Sensei Raboanarijaona Voahirana, tepana mainty, 4e Dan, no sady filoha […]
DAKA AN-JORONY : Ny mitandrim-pamindra tsy mba lavo
Ilaina hatrany ny fahamailoana amin’ny fiainana. Tsy mifanalavitra amin’izany ny amin’ny fanatanjahantena. Mbola mavesatra amin’ny mpitia baolina kitra rehetra na ny teto Madagasikara na ny tany ampitan-dranomasina, indrindra ho an’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ny segondra farany naharesy azy ireo, nanoloana ny Voromaherin’i Carthage an’i Tunisie, farany teo. Ny mahery […]




