Mois : septembre 2024

Tarika tselatra : fampisehoana nandrasan’ny mpankafy ny omaly

Nafana sy nangotraka ny fampisehoana nataon’ny tarika Tselatra, omaly, tetsy Antsa­ha­manitra. Tarika miangaly ny gadona Rock sy Heavy metal, anisan’ny be mpankafy eto amin’ny Nosy izy io. Poro­fon’izany, feno ny toerana ary tonga maro tsy nanavahana, vavy sy lahy, ny mpankafy nanatrika izany teny an-toe­rana. Afapo tanteraka ireo mpankafy vazo […]

Hosana Ambohijatovo fitiavana : fifaliana no tsapa tamin’ny fampisehoana

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fana­tanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana, niarahana tamin’ ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Nampi­tondraina ny lohateny “Andeha hidera azy”. Feno tanteraka ny tao Mahamasina, satria tonga maro tsy nisalasala ireo mpankafy nanotrona azy ireo. Nampirisika ny maro, tamin’izany, ny fiombonana hidera an’Andriamanitra. “Misy aimpanahy […]

Seho nanjakan’ny fitiavana: nitety vanim-potoana i Henri Ratsimbazafy

Tamin’ny ankapobeny, nahitana fizarana roa ny seho notanterahin’i Henri Ratsimbazafy sy ireo mpanakanto niara-nihira taminy. Fampisehoana adiny telo nanjakan’ny fitiavana sy ny momba izany manontolo. Iray amin’ireo seho an-tsehatra nahavory mpijery maro teto an-dRenivohitra, omaly, ny tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nanolotra seho nanjakan’ny fitiavana sy nitetezana vanim-potoana naha­ritra i Henri […]

FANTINA sy FINTINA

Ny tantara no mahatonga ny olona ho liana be amin’ny fanarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Mandalo ben’ ny Tanàna, olona, ny mpanao politika iray, mahazo hery amin’izany izy dia manao hetsika; avy eo, mandrom­baka fahefana. Aorian’izay vao […]