« An-dalana ny famolavolana ny paikady hidiran’i Madagasikara amin’ny fahombiazana kokoa, amin’ny tsena malalaka anatin’ny kaontinanta afrikanina », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Rasamoely Vahinisoa, ny zoma teo, nandritra ny atrikasa natao teny Akorondrano. Nanazava ireo dingana natao hamolavolana ny paikadim-pirenena momba ny faritra malalaka […]
Mois : septembre 2024
Jirama Mahajanga: nitondrana vahaolana amin’ny jiro sy rano
Anisan’ny iharan’ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fahampian-drano ny tanànan’i Mahajanga. Nahatonga ny fidinan’ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Ron Weiss, tany an-toerana, ny volana aogositra teo izany. Ho fanatanterahana ny tetikasa hanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano any an-toerana. Tontosa ny ampahany amin’izany, ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra 5KV […]
Fampiroboroboana ny toekarena manga: hiara-hiasa i Madagasikara sy ny OPJEB
Hitondra tombontsoa betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy hipaka mivantana amin’ny tanora ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondron’ny tanora Panafricaine ho an’ny toekarena manga (OPJEB) . Vita sonia ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny toekarena manga (JNEB) andiany faharoa, tany Toamasina, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny […]
INDRAY MIJERY
Ny « relevée des notes” sy ny diplaoma amin’ ny bakalorea dia saro-pady ka ilana fitandremana tsy ho very. Ny dika mitovy voamarina no ampiasaina amin’ny antontan-taratasy rehetra fa tsy ny “original”. 40 000 Ar ny sorabola aloa any amin’ny banky, rehefa mahazo ilay “reçu de versement” avy any vao entina […]
Akany Manjary Soa : ankizy 15 nahavita fiofanana momba ny zaitra
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, ny lanonana famoahana ireo ankizy nobeazina sy nofanina tao amin’ny foibe Manjary Soa. Akany fitaizana ireo zaza sahirana eto amin’ny faritra manodidina ny minisitera foibe 67Ha izy ity. Nitarika ny lanonana ny minisitra Razakaboana Hanitra […]




