Mois : septembre 2024

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana anio, eny Soavina, ny fiadiana ny amboaran’ny « Island Padel Cup », andiany voalohany. Hiady ny amboara amin’izany, ny nosy rahavavy La Reunion sy ny ekipam-pirenena malagasy. Firenena telo no mandray anjara amin’ity. Ankoatra an’i Madagasikara sy La Reunion, nifanintsana tao ihany koa i Maurice, saingy efa nihintsina izy ireo. Araka […]

Kianja Barea : hovitaina mialoha ny marsa 2025

Tonga nijery ny fivoaran’ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny kianja Barea, teny Mahamasina, omaly, ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihan’ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Nambarany fa tsy maintsy vitaina mialoha ny volana marsa 2025 ny fanamboarana rehetra. Efa tokony hatao eto Madagasikara ny “fenêtre 2”, amin’ny fifanintsanana […]

Coach Rôrô – Fifanintsanana « CAN 2025 »: «Tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy mandresy an’i Comores»

Mbola samy mitsakotsako ilay faharesena nanoloana an’i Tunisie avokoa ny rehetra, indrindra ireo mpilalao sy ny mpanazatra. Nezahin’ireo teknisianina sy ny federasiona narenina ny toe-tsain’ireo Barea ary vonona ny handresy an’i Comores, ny andro faharoa. Na teo aza iny faharesena, 1 no ho 0, nanoloana ny Aigles de Car­thage Tunisie, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hohatsaraina sady hitarina miakandrefana hatreny Ivato ny arabe « Rocade Iarivo ». tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, amin’ny aogositra 2025, izay hatao eto Antananarivo. Nijery ifotony teny amin’ny lalana Tsarasaotra hatrany Ivato ny tompon’andraikitra voakasika avy amin’ny minisitera dimy, omaly. Hamafisina ny fiaraovana ara-toekarena eny amin’ny […]

Salon de l’Agronomie 2024 : hampahafantatra ny tontolon’ny famokarana

Hotanterahana ny 17-20 septambra ny « Salon de l’Ag­ronomie » andiany voalohany eny amin’ny Sekoly ambony momba ny haifamokarana sy ny Zavaboahary (ESSA), ny Oniversiten’Antananarivo. Hampahafantatra ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro samihafa ao anatin’ny tontolon’ny Agronomie ny hetsika. « Tanjona ny hampahafantatra ny rehetra fa miantoka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanjarian-tsakafo […]