Mahafeno ny fepetra amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga i Toamasina, noho izy manana ny ranomasimbe Indianina sy ny lakandranon’i Pangalana mirefy 647km. Tombony ho an’ny faritra Atsinanana ny fananany ny seranan-tsambo lehibe indrindra izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampidi-bola sy mamelona tokantrano maro ihany koa […]
Mois : septembre 2024
« Salon de l’auto » 2024 : Zava-baovao ny fiara mandeha amin’ny herinaratra
Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao ny hetsika « Salon de l’auto 2024 ». Hiavaka amin’ity andiany faha-14 ity ny fisian’ireo fiara elektrika, izany hoe, mandeha amin’ny herinaratra, manaja ny tontolo iainana. Mikarakara ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Madagasikara (GCAM). Nasongadin’ny filohany, […]
Cenhosoa : nahazo fitaovana ny fitsaboana zaza
Tonga tao amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana (Cenhosoa) ny fikambanana Soleil Marmailles notarihin’ny dokotera Razafintsalama Sylvie avy ao amin’ny Nosy La Réunion, afakomaly tolakandro. Nitondra anjara biriky amin’ny fanohanana ny ezaka fitsaboana ataon’ny Cenhosoa izy ireo ka nanolotra fitaovana maro ampiasaina eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famelonan’aina sy ny ” […]
Antandrevaka ataon’ny mpiasan’ny kaominina: Ampangain’ny ben’ny Tanàna ho fanimbana azy
«Tsy nanome baiko hanao fihetsika sahy hitondra polisy kaominaly nandroaka sy nangorona ny eloben’ireo mpivarotra trondro, izay napetraka vonjimaika eny amoron-dranomasina ireo aho », hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina Herilala, raha nantsoina an-telefaonina. Nanaovana fanamarinam-baovao momba ny fihetsika nataon’ny polisy kaominaly sasantsasany eto Toamasina tamin’ireo mpivarotra trondro ny mpanao gazety […]
Habibiana : lehilahy iray nanolana an-janany
Habibiana ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nataon’ny raim-pianakaviana iray 41 taona tamin-janany naterany vao 8 taona monja teny Ambohijanaka, ny herinandro teo. Vitany ny nanolana io zanany naterany io ary efa fanaony izany. Tamin’ny alalan’ny fitoriana nataon’ny vadin’ity raim-pianakaviana ity no nahafahana nanenjika azy. Vao nahafantatra io fitoriana nataom-badiny […]




