Ny talata 3 septambra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny didim-pitsarana mahakasika ny fisolokiana sy fakana vola tsy ara-drariny aman’olona, izay anenjehana ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina sasantsasany. Naka vola tamina mpandraharaha mitotaly 85 tapitrisa Ariary, ho tambin’ny fanomezana anjara toerana hahazo Box ao Miami […]
Mois : septembre 2024
Tetikasa « Sorebe »: nampitaovana ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina
Ho famaranana ny tetikasa “Sorebe” niarahana amin’ ny OIM sy ny BNGRC, nanolotra ordinatera sy kojakoja momba ny fikirakirana ny teknolojia vaovao ny OIM, teny Andrainarivo, tamin’ity herinandro ity. Tetikasa novatsian’ny fanjakana japoney vola, tao anatin’ny roa taona, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ho an’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ampiasaina […]
Oniversiten’Antananarivo : manome fahalalana mahakasika ny fakiolte EGS
Manatanteraka varavarana misokatra ny fakiolte Economie Gestion ary Sociologie (EGS) eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso, anio sy omaly. Hetsika natokana ho an’ny mpianatra sy ny ankizy liana amin’ireo lalam-piofanana voalaza ireo. «Natao hanomezana ny tsara ho fantatra sy fahalalana ilain’ny ankizy mahakasika ireo lalam-piofanana ireo sy ny asa miandry aorian’ny fianarana […]
MJS-PNUD: Hanohana tetikasa ho an’ny tanora
Nitovy ny fomba fijery eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny Pnud, nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, omaly, teny Ambohijatovo, dia ny fanomezana sehatra ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tetikasa roa samy mifantoka amin’izany ny « Youth Connect sy ny Youth Corner », izay nambaran’ny eo anivon’ny Pnud […]
Foibe Manjary Soa 67 Ha: hiantohan’ny Axian ny sakafo mandritra ny taom-pianarana
Miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa ny minisiteran’ny Asa amin’ny fampandehanana ny foibe Manjary Soa mitaiza ireo ankizy sahirana. Nanohina ny antso ny vondrona Axian. Tonga nanolo-tanana ny foibe Manjary Soa 67 Ha ny vondron’orinasa Axian, omaly. Nanome fitaovam-pianarana sy kojakoja hiatrehina ny fidirana an-tsekoly izy ireo. Nampanantena […]




