Mois : septembre 2024

PDS Ramanantsoa Harilala : «Miasa aloha fa tsy mbola misy resaka kandidà izao»

Natsidiky ny PDS, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny fandaharanasany, amin’izao nandraisany ny fitantanana izao. Noresahiny koa ny momba ny lafiny politika, nanoloana ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Valin-teny tsotra. “Miasa aloha izao isika fa tsy mbola misy resaka filatsahan-kofidina. Ho hitantsika eo ihany amin’ny 19 septambra ny fahafantarana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Miditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fametrahan’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny dosieny. Mbola niompana amin’ny fanomanana antontan-taratasy ilaina rehetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ny ankamaroan’ireo kandidà. Tsiahivina fa hifarana ny 29 septambra izao ny fanaterana ny dosie. Efa nahavita ny fanamarinan-tsonia sy ny fametrahana izany teny amin’ny boriborintany […]

Ny entan-jaraina mora zaka

  Raha mihazakazaka izaitsizy ny resaka diplaomasia any ivelany, hita manova fomba fiasa ihany koa ny mpitondra ato anatiny. Zava-dehibe ny fifanampiana eo amin’ny minisitera isan-tsokajiny. Anisan’ny mahafinaritra ohatra ny fifanomezan-tanana eo amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy. Misy ny fiaraha-mientana amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa. […]

50 lavitrisa dolara ho an’i Afrika : hisitraka ny fiaraha-miasa amin’ny sinoa ny Malagasy

Tontosa omaly, tao Bejing, ny lanonam-panokafana ny fihaonana an-tampony andiany faha- 9, eo amin’ny fiaraha-miasa Sinoa sy Afrikanina. Nanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry. Notontosaina omaly, tao amin’ny Grand Palais du Peuple, tao Bejing, ny lanonam-panokafana ny fihaonana an-tampony andiany faha- 9, eo amin’ny fiaraha-miasa Sinoa sy Afrika (Focac 2024). […]

TSELATRA

Voasambotra ka natolotra ny polisy misahana ny heloka bevava ny lehilahy iray ahina ho nandray anjara tamin’ilay fanafihana mpamongady iray eny Anosibe Tsena, afakomaly. Notondroin’ny olona izy fa hoe naman’ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ilay fanafihana. Nihaodihaody teo akaikin’ilay tranombarotra mpamongady izy ka nohiahian’ny olona. Lasan’ireo mpanafika ny vola 26 tapitrisa […]