Nanomboka ny fotoana nivalian’ny fanadinana bakalorea, tsy latsaky ny 20 isan’andro ireo tonga manao fangatahana hiditra ho mpianatra amin’ny sekolim-panjakana mandalo eny amin’ny fokontany. Ifanotofana ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Manaporofo ny fahasahiranan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina izany. Betsaka ireo mangataka alalana eny amin’ny kaominina sy fokontany milaza ho […]
Mois : septembre 2024
VAOVAO TAMBATRA
Miverina ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina noho ny fihenan’ny tohodrano mpamokatra herinaratra ao Andekaleka. Mihena ny rano ary tsy ampy ny vokatra ho an’Antananarivo ka voatery manapaka ny herinaratra ny Jirama. Miteraka fimenomenonan’ny mpanjifa ny zava-misy sy ny tolotra omen’ity orinasa ity. Hanohana ny governemanta malagasy amin’ny fanatanterahana […]
« Vitrine du Vakinakaratra », andiany faha-26 : hiompana amin’ny famokarana maharitra
Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la gare Antsirabe, ny 5 ka hatramin’ny 7 septambra, ny «Vitrine du Vakinakaratra» andiany faha-26. Hetsika ara-toekarena ho fanandratrana ny vokatry ny fambolena sy ny indostria ao an-toerana. Hiavaka tanteraka ity andiany ity noho izy hitodika any amin’ny hoavy. Izany hoe, hiompana tanteraka amin’ny famokarana […]
Famokarana fary: hojerena haingana ny vahaolana
«Tsy maintsy jerena faran’izay haingana ny hampihodinana ny orinasa mpamokatra siramamy ao Brickaville”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), Ralambofiringa David, nandritra ny fidinana tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Nijery ny olan’ny orinasa mpamokatra siramamy sy nijery akaiky ny fiasan’ny orinasa, Odof, ao […]
Antananarivo-Dubaï : mahazaka mpandeha 1 400 isan-kerinandro
Hampiova tanteraka ny tontolon’ny habakabaka eto amintsika ny kaompania Emirates. Mpandeha 360 isaky ny sidina inefatra, isan-kerinandro, no taterina, mampitohy mivantana an’i Dubaï-Antananarivo. Nigadona voalohany teny amin’ny serananam-piaramanidina Ivato Antananarivo, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777-300ER an’ny kaompania Emirates. Nitsena azy ny filoha Rajoelina Andry […]




