Mois : septembre 2024

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny Soavina Atmosphère, ny fifanintsanan’ny Nosy, «Island Cup», taranja tenisy anaty efitrano «padel». Firenena telo moa no handray anjara amin’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Maurice ary La Réunion. Tsiahivina fa i Maurice no hifanandrina amin’ireo Malagasy mpilalao voalohany. Handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny lalao baolina kitra […]

Faha-15 taonan’ny AT2B: homarihina amin’ny “Fety de Baskety e!” miavaka

“Sady mifety no manao basikety”, araka io teny faneva io, hafana indray ity andiany manokana amin’ny “Fety de Basikety e!” ity, izay hankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Hetsika hotanterahina manomboka ny tapaky ny volana septambra izao. So­kajy 10 no handray anjara amin’izany, misy ny Seniors, lahy sy […]

Baolina kitra – «Can 2025»: mpilalao naharitra tao amin’ny Barea de Madagascar Raveloson Rayan

Mahafantatra tsara ny Aigle du Carthage, Tunisie, Raveloson Rayan. Nanambara ny fahitany ny lalao hidonana amin’ity ekipa ity, ny tenany. Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fahitanao ny ekipan’i Tunisie izay «favori» ary hilalao eto amin’ny taniny? Raveloson Rayan (-): Marina fa «favori» i Tunisie ary efa nasehony izany. Ekipa […]

TARATRY ny KANTO

Ndaty Lahy, any amin’ny Alliance française Toliara. Hizara ny mozikany ry Anthony sy ny tariny, ny alakamisy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Ny beko mifangaro gadona maroloko hatrany, izay entin’izy ireo mamaky ny tsenan’ny mozika eto sy any ivelany no hoentin-dry zalahy eo. Tahiry Andriamanoro, etsy amin’ny […]