Mois : septembre 2024

Famosirana : miankina amin’ny didy raikitra ny fampiharana

Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fanatanterahana ny famosirana amina raharaha fanolanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis, tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonany tamin’ny vadintany sy mpanao lavanty. Misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny dokotera amin’izany: tsy maintsy […]

Raharaha Anjozorobe : « Fahavalom-bahoaka ireo mpaka an-keriny », hoy ny MFA

« Sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireny nitranga tany Anjozorobe ireny ary tena famonoan’olona… », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, teny Ampahibe. Mitohy ny hazalambo na efa tratra aza i Rakom. Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fakana an-keriny na­moizana ain’olona tao Ma­rotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana (Emmo/Nat), […]

VAOVAO TAMBATRA

Notolorana fitaovana entina hiarovana ny ala sy hiatrehana ny afo, ny herinandro lasa teo, ny Vondrona olona fotony (VOI) any amin’ny kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambaton­drazaka. Tohana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, Conservation International (CI), mitantana ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (Caz). Manohana ny hetsika ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]

Jirama : ahitana lohahevitra 4 ny drafi-panarenana

Nihaona ny zoma 30 aogositra teo, teny Ampan­drianomby, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, niaraka tamin’ny teknisiana miara-miasa aminy, andaniny, sy ny tomponandraikitry ny Jirama, notarihin’ny tale jeneraly (DG), Ron Weiss. Fivo­riana nampahafantarana ny paikady entina hanarenana ny orinasa Jirama. Miompana amin’ny lohahevitra lehibe efatra […]