Mois : septembre 2024

Lalana any Toamasina : vita ny 25% ny asa amin’ny « voie rapide »

Hampihena ny fitohanan’ny kamiao any Toamasina ny arabe « voie rapide » hatao any Toamasina mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Vinavinaina ho vita amin’ny mey 2026 ny asa. Mirefy 9,6 km ny arabe «voie rapide» hamboarina, miainga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ary mivoaka any amin’ny lalam-pirenena RN 2. Nitsidika […]

INDRAY MIJERY

Androy, Anosy, Menabe, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana. Ireo no Dren 6 nisitraka fampiofanana momba ny fizohiana sy fanaraha-maso ny tolotry ny fanabeazana fototra eny amin’ireo sekoly (Score). Tanjona ny hifehy ny fanaraha-maso eny ifotony amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hisian’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra. Mbola mitoetra ao amin’ny morontsiraka atsimo […]

Vatsin’ankohonana : 3 612 ireo tokantrano nisitraka

Tokantrano 2 371 ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy tokantrano 1 241 ao amin’ny distrikan’i Farafangana no nisitraka tohana tamin’ny alalan’ny tetikasa Vatsin’Anko­hona­na ny faran’ny herinandro teo. Nizara mivantana izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fampiasana izany vatsy izany ny fampianarana ny ankizy […]

Fikambanana silamo Ihya : hametraka fiaraha-miasa amin’ i Madagasikara

Tonga eto Madagasikara ireo fikambanana silamo Ihya avy any Turkie. Fikambanana silamo izay misehatra amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana isan-tsokajiny. Hametraka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ny fitondram-panjakana Turque izy ireo. Tanjona ny hampandrosoana ny ara-tsosialy eto amin’ny Nosy. “Maro ny asa sosialy sy fampandrosoana ilain’ i Madagasikara. Toy ny […]

Mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna : manao fitsirihana ny fanjakana

Manao fitsirihana ireo fivarotam-panafody manerana ny Nosy ny fanjakana. Tsy handefitra amin’ireo mivarotra fanafody tsy nahazoana alalana izy ireo. Tra-tehaka ny fivarotam-panafody iray tao Ampefy. Nandritra ny fidinana tany Ampefy, distrikan’i Soa­vi­nandriana, Faritra Itasy, ny faran’ny herinandro teo, nanaraha-maso ny tontolon’ny fahasalamana any an-toerana no nahatraran’ny ekipan’ny minisiteran’ny Faha­sala­mam-bahoaka notarihin’ny […]