Raha nahazatra hatrizay ny filazana ho « asa aloha fa tsy kabary », dia mivadika ny rasa amin’izao fotoana izao. Napetrapetraka noho ny finamanana sy ny valibabena ny ankabeazan’ny nomem-pahefana hanatanteraka eto amin’ny firenena. Sanatrian’ny vava poakaty, tsy hita izay asa mivaingana fa lany andro amin’ny fisehosehoana sy ny fandokafan-tena. Toy […]
Mois : septembre 2024
Fiovaovan’ny toetr’andro : natsangana ny fandaharanasa Global Shield against Climate Risks
Hitondra vahaolana ho fanampiana sy fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Global Shield. Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro nametrahana ireo tanjona apetraka. Tapitra omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny fandaharanasa «Global Shield against Climate Risks», fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahitana ireo firenena mandroso mivondrona ao anatin’ny G7 sy […]
Ankerana : tratra ireo nanafika mpamongady
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy (CSP8) teny Anosizato sy Andraisoro, afakomaly, ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina fanafihana tranona mpamongady iray eny Ankerana Ankandindramamy ny 17 septambra 2024 teo. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra teny Andraisoro ny roa tamin’ireo jiolahy raha teny Anosizato kosa ny roa hafa, afakomaly. […]
Fakana an-keriny: hiakatra fampanoavana ny depiote Zozo
Hiakatra fampanoavana, anio, ilay raharaha fakana an-keriny tao Tsaratanana nahavoasaringotra ny depiote teo aloha, Ratsimanosika Alexandre (Zozo), sy ireo olona efatra nosamborina niaraka taminy. Isan’ireo voasambotra niaraka taminy ny mpiambina azy sy ny rahalahiny ary olona roa hafa. Dimy izy ireo, araka izany, no hiatrika ny fampanoavana. Ny alakamisy 19 […]
Mahajanga : mpamaky trano roa lahy voasambotra
Tratran’ny polisy nanao fisafoana ny mpamaky trano roa lahy avy nanao ny asa ratsiny tao amin’ny faritra La Corniche, ny alin’ny 23 septambra teo, tamin’ny misasak’alina. Nilanja fahitalavitra nandritra ny andro maizina tamin’io fotoana io ny lehilahy iray. Nifanena tamin’ny polisin’ny UIR, nandositra avy hatrany izy. Nanaraka azy ny mpitandro […]




