Mois : septembre 2024

Firotsahana Ben’ny Tanana: Mbola azo atao ny mitory

Na feno na tsia ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, mijanona anio amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana izany eny amin’ny Ovec. Ara­ka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Seheno, teny Alarobia, omaly. Aorian’izay, manana 72 ora handraisana fanapahan-kevitra ny Ovec. Aorian’izay hampahafantarina ny lisitr’ireo mirotsa-kofidina hahazoan’izy ireo manao ny ambaratongam-pitarainana amin’ny […]

Rabary Paul : “Manana kandidà ny Irmar eto Antananarivo”

“Efa samy mahalala isika… Misy paikady politika atao. Ny politika koa: jerena aloha ny ataon’ny mpifaninana amin’ny tena; avy eo, jerena ny paikady tokony hatao. Aza matahotra fa manana kandidà ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) eto Antananarivo Renivohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary […]

Ramamimampionona Gérard : “Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika”

Misy ny fanahiana korontana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao: “Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao fa misy ny fanahiana korontana? Ramamimampionona Gérard (-): Tena […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra any Berlin ry Erick Manana sy Jenny. Hilalao ao amin’ny « Kirche auf dem Tempelhofer Feld » izy ireo ny sabotsy ho avy izao. Hanaraka azy amin’izany i Passy eo amin’ny valiha, Miriam Lormes eo amin’ny alto ary i Hery Andrianasolo hilalao ny angorodao. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 […]

Tsy ho afa-mandroso : miandry vahiny hatrany ny Malagasy

Tsy manam-bola matoa omen’ny vahiny famatsiam-bola. Tsy manam-bary matoa manafatra vary. Tsy manana manam-pahaizana matoa miondrika eo anatrehan’ny zava-boalazan’ny vahiny, sns. Saika tsy ananan’ny Malagasy sy i Madagasikara avokoa ny zava-drehetra matoa voasokajy ao anatin’ny firenena farahidiny eto ambany masoandro. Miaina ao anatin’ny fahantrana lalina. Na fomba fiteny tsy nipoitra […]