Mois : septembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Tonga eto Madagasikara ny iraka mpanara-mason’ny Banky iraisam-pirenena hijery akaiky ny fandrosoan’ny asa, ny fitantanana ny volan’ny tetikasa fanaovan-dalana eto amintsika. Miisa telo ny tetikasa lehibe vatsiany vola, ny fanaovan-dalana (PDDR, PCMCI ary ny Pact). Voakasik’ireo ny lalam-pirenena RN10, RN5, RN4, RN12A, sns. Miisa 23 795 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara […]

Fanodinana ronono : nivoatra ny kaoperativa Fimiviat

Misehatra amin’ny fiompiana ombivavy be ronono ny kaoperativa Fimiviat Aina, any Talata Volonondry, distrika Avaradrano. Nahazo ombivavy miisa 2 miampy masomboly hambolena vilona izy ireo, taorian’ny fangatahana tamin’ny Tahirimbola fampandrosoana ny famokarana (FDA) tamin’ny taona 2023. Tsy nitsahatra nivoatra sy nitombo ny fahalalan’ny mpikambana. Anisan’izany ny fiofanana fanodinam-bokatra avy amin’ny […]

Fadintseranana: Volavolaina ny Drafitrasa stratejika 2025-2029

Mitohy ny fanavaozana ny fomba fiasa ao amin’ny fitantanana ny fadintseranana. Eo ny fanatsarana ny ao anatiny, ary miditra amin’ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra indray izao. Atao eto Antananarivo, ny 24, 25 ary ny 26 septambra izao, ny atrikasa fakan-kevitra rehetra, amin’ireo mpandraharaha sy ny rafi-panjakana voakasiky ny varotra ivelany. Fotoana […]

INDRAY MIJERY

Tsy hisy tranga miavaka hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity. Hitsoka malefaka ny varatraza manomboka anio. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy. Tombanana hatrany ny orana ho an’ny morontsiraka avaratra atsinanana, ny maraina. Hisy fiakarana ny maripana, hanodidina ny 7- […]

Fanaovam-baksiny faobe : Ezahina ho 95% ny zaza hisitraka

Hanomboka ny volana oktobra izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe manaraka eto Madagasikara. Atao mandritra izany ny vaksiny fanefitry ny kitrotro miaraka amin’ny fanefitry ny lefakozatra (polio) ary ny fanatrarana ireo ankizy latsaky ny dimy taona rehetra izay mbola tsy nahavita vaksiny hatramin’ny farany. Eza­hina ho vita, amin’izany, ny 95% amin’ny […]