Mois : septembre 2024

TSELATRA

Maty voatifitry ny zandary ny tompon’antoka tamin’ny vaky trano tao Ampanotokana, distrikan’Ambohi­dratrimo, afakomaly. Roa lahy namany azo sambo-belona. Nahatrarana entana halatra toy ny bisikileta niampy akoho amam-borona nalainy teny amin’ireto farany. Renim-pianakaviana iray nalain’ny mpaka an-keriny tao amin’ny trano fonenany, tao Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola, ny alin’ny alatsinainy 23 septambra teo. Nitondra […]

Ambohitrambo – Arivonimamo : ramatoa maty voatsatoka antsy

Ramatoa iray hita faty tao an-tranony, ao Ambohitsoa­nan­driana, fokontany Soala­nitra Ambohitrambo, distrikan’ Arivonimamo, omaly ma­raina. Nahazo fampandrenesana vao maraina, tamin’ny alalan’ ny sefo fokontany ao Soala­nitra ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivoni­mamo momba ny fisian’ity olona hita faty ity. Nentina haingana teny an-tranon’ilay renim-pianakaviana niharam-boina ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]

Taksiborosy nivadika : roa namoy ny ainy, folo naratra mafy

Olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, afakomaly. Mpandeha 10 naratra mafy. Ankoatr’io, mpitondra bisikileta iray maty tetsy amin’ny lalam-baovoa Ivato. Zaza valo taona ny iray tamin’ireo olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 202+ 500, fokontany Manjakavara­drano, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanana. Ny alin’ny alatsinainy 23 septambra no […]