Nanamafy ny filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny minisitra fa hisy fanaraha-maso akaiky ny fizarana ny Caisse école sy ny Caisse de soutien ary ny fizarana sakafo any an-dakilasy. Mba hipaka any aminny sekoly sy ny mpianatra ireo tohana avy amin’ny fanjakana ireo ho an’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy no […]
Mois : septembre 2024
Fehin-dalàna vaovao momba ny asa : nofanina ireo tale mpitantana mpiasa
Mitohy ny fampahafantarana ny fehin-dalàna vaovao momba ny asa hanamorana ny fampiharana azy eo anivon’ ny minisitera mpiahy sy ireo orinasa mpiara-miombona antoka amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny tontolon’ny asa manerana ny Nosy. Nizara fiofanana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Association malgache des directeurs des ressources humaines d’entreprises tamin’ty herinandro […]
Governoran’Anôsy : nanara-maso ny tetikasa RNT12A
Nidina mivantana nanara-maso ny fizotran’ny fanamboaran-dalana, RNT 12A, mampitohy an’i Taolagnaro amin’i Ebakika, ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Niaraka tamin’ireo teknisianina mpiara-miasa aminy ary ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Asa vaventy izy tamin’izany. Nifanakalo hevitra tamin’ny lehiben’ny tetikasa PACFC (Projet d’aménagement de corridors et de facilitation du commerce) izy […]
Fiatrehana ny rivodoza sy ny voka-dratsiny : manao fanazaran-tena ny BNGRC sy ny mpisehatra
Tanterahina omaly sy anio, ny fizarana sy fiomanana ataon’ny BNGRC sy ny mpisehatra rehetra hiatrehina ny fotoam-pahavaratra 2024-2025. Antananarivo sy Toamasina ny toerana nofidiana hanatontosana ny asa. Vao mifarana ny taom-pahavaratra dia miomana amin’ny taom-pahavaratra manaraka ny BNGRC sy ny ekipany. “Ny rivodoza no voina mpiseho matetika sy isan-taona eto […]
TARATRY ny KANTO
Hanomboka anio ny « Angaredona Mozika Festival », andiany faha-18. Hotontosaina eny amin’ny Canal Olympia ny seho fanokafana, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hanafana izany ny tarika Zandry Gasy sy Rajery. Hitohy mandritra ny faran’ny herinandro eny amin’ny Naturia Palm Ambohibao (RN3) kosa ny andiam-pampisehoana. Tarika ampolony no hifandimby an-tsehatra rahampitso sy […]




