Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny ambasadaoron’i Alemaina, i Olivier Knoerich. Voaresaka ny hanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Teo koa ny fifampiresahana momba ny fitsinjaram-pahefana.
Anisan’ny mavitrika amin’ ny fanohanana ny tetikasa eo amin’ny sehatra ny fitsinjaram-pahefana i Alemaina mba ho fanohanana ny fampandrosoana maharitra sy ho fanatsarana ny fiainanan’ny vahoaka eny ifotony. Mifandraika amin’ny departemantan’ny MFFT rahateo izany ka hitondran’i Alemaina ny anjara birikiny.
Efa nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David ity ambasadaoro ity nialoha izany. Nambaran’ny minisitra fa fanamby ny tsy hanafarana entana ilain’ ny mponina andavanandro (PPN) fa hovokarina eto an-toerana izany. «Maika daholo ny zava-drehetra ary zava-dehibe avokoa ny rehetra», hoy izy. Nambaran’ny ambasadaoro kosa fa tombontsoan’ny roa tonta ny manamafy ny fiaraha-miasa.
Synèse R.




