Trano lehibe iray no notrongisin’ny kamiaobe iray feno entana tao amin’ny fokontany Beteheza, kaominina ambanivohitr’Analavory, distrikan’i Miarinarivo faritra Itasy (RN1), omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, resintory tampoka teo ambony familiana ny mpamilin’ny kamiaobe iray tany amin’ny ankavanan-dalana ka nifatratra tamin’ny kamiaobe iray nifanena taminy. Mafy ny fifandonana. Vokany, nifatratra tamin’ny tranon’olona iray ity fiarabe ity. Rava tanteraka ny ilany tamin’ny lavarangan’ny trano. Na teo aza anefa ity lozam-piarakodia ity, tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Nieren-doza, araka izany, ireo olona tao an-trano. Samy nahitana fahasimbana ireto kamiaobe roa nifandona ireto. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary nanao ny fanadihadiana. Nentin’ny zandary nanaovana famotorana ny mpamily. Tao anatin’ny famotorana no nilazan’ny mpamily nahatonga ny loza fa tena natory teo ambony familiana tokoa izy noho ny havizanana.
J.C




