Mois : octobre 2024

Fitaterana ana habakabaka: hiara-miasa amin’i Madagasikara ny Rwandair

Hisokatra tsy ho ela amin’ny firenena rwandais ny lanitr’i Madagasikara, ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana ana habakabaka ary ny fampandrosoana ny toekarena. Atao sonia tsy ho ela ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Rwandair. Voa­resaka izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitry […]

GFSI : hanampy amin’ny tsy fandriampahalemana

Tontosa ny sabotsy teo ny fanolorana faneva ho an’ireo holafy efatra sy sakelika iray eo anivon’ny Vondron-kery manokana vonjy taitra na ny Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI), izay feno herintaona no nisiany, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Repoblika sady lehibe fara tampon’ny Foloalindahy, […]

ZDS : Kaomandy vaovao ny Kly Ratolojanahary

Tsy faritra mena intsony fa nahitana fihenana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Bongolava izay nanjakan’ny asan-dahalo teo aloha noho ny fampandriana fahalemana iarahan’ny hery fiarovana sy filaminana. Notanterahina ny zoma teo, tao amin’ny Kianja manara-penitra Tsiroanomandidy, ny fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny Fari-piarovana sy ny filaminana (ZDS) Tsiafajavona, ny Kly Ratolojanahary Johnson […]

Ady amin’ny kolikoly: ilaina ny kolontsain’ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana

Ny sazy famaizana, ny fepetra hanamafisana ny fahitsiana amin’ny fandraisana mpiasa, ny fivezivezena, ny fisondrotana amin’ny asa… Anisan’ny fepetra hanamafisana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana ireo. Nison­gadina izany tamin’ny fanohizana ny fakan-kevitra isan-dohahevitra tarihin’ny Komity mpamolavola ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) teny amin’ny Bianco Am­bohibao, ny faran’ny herinandro teo. Manan-danja […]

INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny tsiokan’ny alizay manomboka anio. Hisy fidinany ny maripana ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoantany manontolo. Ankoatra izay, hisongadina ny fiakaran’ny maripana any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy. Eto Antananarivo, hahatratra 17°C ny maripana ambany indrindra, raha 28°C kosa ny ambony indrindra, ho an’ny anio. Hotanterahina rahampitso ka hatramin’ny 24 […]