Mois : octobre 2024

Fandaharanasa Kix : hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharanasa “Knowledge and Innovation eXchange” (Kix). Fandahara­nasa entina hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana sy ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny fifampizarana fahalalana sy traikefa eo amin’ireo mpisehatry ny fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka izany, indrindra ireo firenena 68 mpikambana ao amin’ny GPE (partenariat mondial […]

Fampianarana ambony : mahasarika mpiofana ny « cours en ligne »

Fomba iray ampiasaina hampitana fahalalana amin’izao fotoana izao, ho an’ny fampianarana ambony, ny « cours en ligne » mikirakira ny teknolojia vaovao. Ho an’ny olona efa manana anton’asa mbola vonona ny hanitatra fahalalana amin’ny taranja iray manokana no misafidy azy. Mampiasa ny fampianarana « cours en ligne » ny University Reference eny Amoronakona, nanomboka […]

Fanaovam-baksiny : nampiasaina ny paikady rehetra hanatrarana ny taha 95%

Nifarana omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro sy lefakozatra ho an’ny faritra 23. «Nohamafisina ny paikady ka naverina indray ny fitetezana tokantrano, ny faran’ny herinandro teo, hatrany amin’ny efitrano fiangonana efa nanaiky ny fiaraha-miasa tamin’ny ekipa mpanao vaksiny, hoy ny mpitsabo lehiben’ny CSB II Tsarasaotra, […]

Rugby – «Top 12 Mada»: Tsy nahatohitra ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Nitohy teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja rugby “Top 12 Mada”. Voahaja hatreto ny lojika, mbola manjaka sy misongadina hatrany ireo ekipa lehibe, anisan’izany ny Cosfa (Bebaoty) izay nandavo ny TFA Anatihazo (Pilo kely), tamin’ny isa 53 no ho 22. Noporofoin’ny […]

Karate – « Mada 2024 » : Haseho any Toliara ny hasin’ ny taranja karate

Hotanterahina any Toliara, ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karaté, ho an’ny taona 2024. Tsy fifaninanana nasionaly ihany no hitranga amin’io fotoana io fa haseho izany “Art Martial Karaté-Do” izany, ham­pisongadinana ny hasin’ny taranja, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FKM (Fede­rasiona ny Karate-Do Mala­gasy), […]