Hatramin’izao, tsy miala am-bavan’ny rehetra, indrindra ireo mpankafy baolina kitra, ny faharesen’ny Barea de Madagascar, tany Maroc farany teo. Ao ireo tsy te hiresaka izany intsony, ny sasany milaza ny ao am-pony satria ny alahelo tsy ambara havana, hono, zakan’ny tompony ihany. Ao koa nefa ireo mpamendrofendro, tsy momba ny […]
Mois : octobre 2024
Basikety – “Road To Bal” : Raraka ny GNBC Madagasikara
Fandresena roa sy faharesena roa no vokatra azon’ny GNBC Madagasikara tamin’ity fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, ity. Ratsy ny vokatra azon’izy ireo, omaly. Nomontsanin’ny Urunani Burunid, 112 no ho 56, ry zareo. Tsy tafita any amin’ny Elite 16 i Madagasikara.Vokatra ratsy no namaranan’ny ekipa zandary GNBC, ny fifanintsanana “Road […]
Sombim-baovao
Nanainga ny sabotsy teo, hihazo an’i Abidjan Côte d’Ivoire, ireo delegasiona malagasy hiatrika ny “Fiba Africa Regional Youth Camp 2024”. Marihina fa ity hetsika lehibe ity dia hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ho avy izao. Ry Tiffany sy Tantely ary ny Coach Felana no mandrafitra ny delegasiona. Niala tetsy […]
Grand Tournoi d’Antananarivo : lavon’ny Ste Anne Espoir ny Elgeco Plus
Notontosaina, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy Iavoloha, ny andro voalohany hiadiana ny amboaran’ny « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) ». Nisongadina tanteraka tamin’ izany ny fandresena azon’ny AS Ste Anne Espoir, 2 no ho 1, nanoloana ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Madagasikara farany. Tsara fanombohana, tamin’ity fifanintsanana ity […]
Makis de Madagascar: fotoana izao hijerena mpilalao avy any ivelany
Taranja tsy mba ahitana mpilalao mpilaravinahitra ny Makis de Madagascar. Na misy aza, mahalana ary zara raha miakatra kianja fa saika mpanafana seza izy ireny. Ankehitriny, mila mpilalao lava sy ranjanana ary mavesa-danja ny rugby malagasy raha te handeha lavitra. Samy mbola mitsakotsako ny vokatra azon’ny Makis Ladies tany amin’ny […]




