Hentitra sy nahitsy ny kandidà ben’ny Tanàna, eto Antananarivo, i Ndriana Razanamasy, raha naneho hevitra momba ny fifidianana. Nampahafantariny tamin’izany koa ny fandaharanasany. «Aoka izay ny fampanantenana poakaty. Tsy hizara tee shirt sy koveta na koa handainga isika fa hametraka kosa ireo toko telo hitantanana ny renivohitra», hoy izy, tetsy […]
Mois : octobre 2024
TSELATRA
Lasan’ireo mpanao mena mahazo ny vola 4 hetsy Ar an’ny tovolahy iray nikasa haka entana teny Anosibe Tsena, omaly. Mody norebireben’ireo andian-jatovo mpanao izany izy ka roboka saika hampitombo vola, kanjo lasa ny vola rehetra. Tovovavy iray matin’ny lozam-pifamoivoizana teo Analamahitsy, omaly maraina. Nandeha moto izy. Nandeha mafy ny mpitondra […]
Nampandohalihana ny tompon-trano : norobain’ny jiolahy ny vola 140 tapitrisa Ar
Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy efatra nisaron-tava mitam-piadiana mahery vaika tao Dépôt Bazaribe Toamasina, omaly tolakandro. Notafihin’ny jiolahy ny tranombarotra mpamongady iray tao an-toerana. Araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fanafihana, vola mitotaly 140 tapitrisa Ar niampy vola mbola tsy voaisa anatina fitoeram-bola ary volan’ireo mpanjifa mividy entana tao amin’ilay mpamongady no […]
Fanamboarana basy : lehilahy iray manana orinasa tsy ara-dalàna
Voasambotry ny polisy tao Tanambao SPM Maintirano, ny 16 oktobra 2024, teo ny lehilahy iray mpanamboatra basy sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo mpanao fanafihana amin’iny faritra Melaky iny. Manana orinasa fanamboarana ireny fitaovam-piadiana vita tanana ireny ity lehilahy ity. Niainga avy amina loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy ny momba ny […]
Tranga hafahafa eny an-tsekoly: mila mailo !
Mateti-piseho ny tranga hafahafa eny an-tsekoly: mitsipatsipaka sy torana ny mpianatra. Misy milaza fa ambalavelona. Ny sekoly sasany manamafy fa loza na hanoanana. Mila mailo sy mitandrina! Mpianatra miisa folo indray torana tetsy amin’ ny sekoly iray etsy Mandroseza, omaly maraina. “Fofona entona mahery no nitarika ny voina. Niparitaka vetivety […]




