Kalo Fanomezana, Nirihaja, Tiavina ary Haingohaja. Andriambavilanitra efatra natambatry ny poezia ary mpiray faribolana ao amin’ny Sandratra izy ireo. Hisidina am-poezia, araka ny filazan’izy ireo azy, amin’ny alalan’ny “Embana” ny sabotsy 26 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CGM Analakely. “Ny hoe Embana dia fitenim-paritra iray izay […]
Mois : octobre 2024
Fomba maha malagasy : hampahafantatra momba ny Fanompoambe ny Pr Rabesa Zafera
Anisan’ny fantsona iray mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanajana ny kolontsaina. Maro anefa ny Malagasy tsy mbola mahafantatra ireo fomban’ny razambe tany aloha. Izany indrindra no anton’izao velakevitra ho fampahafantarana ny Fanompoambe izao. Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny velakevitra mahakasika ny fomban-drazana fanaon’ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Nitafa mivantana tamin’ireo mponina eny Andraisoro sy Ampanotokana ary Ambatomaro sy Tsarahonenana ny kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ravalomanana Tojo. Nambarany fa nahita ny iainana eny amin’ny tapany atsinanan’ny boriborintany fahadimy ny tenany. « Tsy mendrika ny maha olombelona intsony ny fijalian’ny mponina », hoy izy. Nampahatsiahy ny Ceni fa mifampiankina tanteraka […]
Ady tombontsoa eny Tsimbazaza : nanazava ny depiote Gascar Fenosoa
Inona ny marina ? Nampiantso ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny depiote tamin’ny fivoriana nikaton-trano, teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, afakomaly. Nanana ny fanazavany ny depiote tsy miankina, i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, teny Tsimbazaza, omaly. Ilain’ny depiote ny fiara 4 x 4, indrindra ireo any amin’ny faritra… […]
Fanadiovana faobe
Tao anatin’ny herinandro maromaro, nahoraka sy nahazo vahana teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny aretina hafahafa. Sekoly vitsivitsy, mpianatra maromaro no voalaza fa tratry ny ambalavelona. Aretina tsy misy atahorana raha ho an’ny mpitsabo ara-tsiansa. Heverina ho toy ny aretina androbe, azo tsaboina. Tsy misy atahorana, tsy misy […]




