Nihaona tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo mpitantana ny paompy eto Antananarivo. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanan-drano ka nametrahana ny fandaminana sy ny toromarika vaovao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny ora fampiasana ny paompin-drano, ny fametrahana “chef de zone” mifandray mivantana amin’ny CUA, ny fanaovana tatitra isam-bolana momba ny […]
Mois : octobre 2024
Vakinankaratra: nizarana tehina fotsy ireo olona jamba
Nomarihina tao Vakinankaratra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tehina fotsy, omaly. Nanatanteraka izany niaraka tamin’ny Federasion’ ny olona manana fahasembanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Lohahevitra novoizina ny “Fampananan’asa ny olona jamba izay mitaky fandraisana andraikitry ny tsirairay ho amin’ny fampandrosoana mampiaty ». Zava-dehibe ny fiahiana ireo […]
Fifehezana valanaretina: Nivoaka ny andiany Atrika, nanolotra fitaovam-piasana ny COI
Mbola mahafaty olona maro ny fiparitahana karazana valanaretina eto Madagasikara. Mampitombo ireo manam-pahaizana afaka hiatrika izany eny an-kianja ny fanjakana. Nanolotra fitaovana enti-miasa ihany koa ny COI, ahafahana mifehy ara-potoana ny valanaretina mba tsy handripaka olona. Namatsy fitaovana ara-pahasalamana hifehezana ny karazana valanaretina misy eto Madagasikara ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « Invitation Aux Temps » tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno. Hosodoko sy sary sokitra maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana no hasehony ao anatin’izany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, anio, mandritra ny hetsika « Focus Fantasia », […]
Mahaleo Taranaka: manoritra tsikelikely ny lalany
Nahazo ny tsodranon’ny raiamandreny. Telo taona teo izay no niara-dalana tamin’ny tarika Mahaleo ny taranaka. Zanak’ireo mpikambana ao amin’ny tarika ihany ny ankamaroan-dry zalahy. Nanotrona hatrany an’i Bekoto sy i Dama, nanohy ny “Revy Mahaleo” izy ireo. Taorian’ny tsodrano avy amin’izy mirahalahy Mahaleo mbola velon’aina, manoritra tsikelikely ny lalany amin’izay […]




