Mois : octobre 2024

AVG SY NY BIANCO : nohamafisina ny fiaraha-miasa

Natao sonia, omaly, ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny vovonana fiarahamonim-pirenena Alliance Voa­hary Gasy (AVG) sy ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Fanintelony ity fiaraha-miasa hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny sehatry ny harena voajanahary ity, efa natomboka ny taona 2018. Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razaka­ma­narina Ndranto, fa zava-dehibe […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 11 500 ny efitrano fandraisam-bahiny vaovao haorina, entina hampiantranoana ny vahiny sy ny mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Tsy voatery ho mpizahatany mahazatra ny hanjifa azy ireny fa eo koa ny mpandraharaha hampiasa vola aty amintsika. Anisan’ny paikady hanatrarana mpizahatany sy vahiny miisa 1 000 000 mitsidika an’i Madagasikara amin’ny […]

Tosika ho an’ny e-commerce : misokatra ny Orange Shop

Manakaiky sy manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany ny Orange Madagascar. Nampahafantarina omaly, tetsy Soarano, ny Orange Shop eo anivon’ny tranokalan’ny www.orange.mg. Tolotra hahafahan’ireo mpanjifa mividy finday sy kojakoja isan-karazany ary tolotra samihafa ana habaka eo anivon’ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy. « Tsy voatery hanatona botika Orange intsony ireo mpanjifa […]

Fandraharahana : miara-midinika ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina

Hanatsara ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara ny dinika ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Voaresaka ny tomban’ezaka sy ny fanamby. Fifanakalozana. Natao teny Ambodivona, om­a­ly, ny dinika fahafito ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (7ème table ronde économique) momba ny fandraharahana […]

Raindahiny : dahalo iray lavon’ ny zandary

Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny dahalo raindahiny, tao amin’ny fokontany Ambohimiarina Tsaramandroso, distrikan’Ambatoboeny, omaly. Avy nanao fanafihana tokantrano, tao amin’ity fokontany ity, no nifanehatra tamin’ny zandary. Tao anatin’ny sakana nataon’ny zandary no nahalavo azy. Malaso efatra hafa kosa tafapori­tsaka na efa naratra voatifitra aza. Voalaza fa miaraka amin’ny […]