Mois : octobre 2024

« Salon de l’auto » : nozaraina ny loka fiara, moto, finday

Natao, omaly, ny fizarana ny loka tombola SMS, natao nandritra ny hetsika «Salon de l’auto» ny 10 hatramin’ny 13 oktobra teo, teny amin’ny CCI Ivato. Nikarakara azy ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao eto Madagasikara (GCAM), niaraka tamin’ny mpiara-miombon’ antoka samihafa. Nahatratra 29 033 ny mpi­tsidika sady afaka nandray […]

GDS : mametraka paikady ny Madagascar Airlines

Mametraka ny paikadiny ny Madagascar Airlines ho an’ny fanitarana sy fampahafantarana azy maneran-tany. Noho izany, miara-miasa amin’ny vondrona Travelport ny orinasa ahafahany miditra ao anatin’ny «systèmes globaux de distribution (GDS) Galileo et Travelport». Manampy sahady ny fiaraha-miasany amin’ny GDS Amadeus ity rafitra vaovao ity. Tanjona ny hampahafantarana ny kaompania eo […]

Tsy nahitana pasipaoro ny roa : Somalianina 15 tratra niondrana antsokosoko

Tratran’ny zandary tao Maromandia, distrikan’Analalava, ny alarobia teo, ireo teratany Somalianina mpiondrana antsokosoko mankany ivelany. Nisy tsy nanana pasipaoro izy ireo. Ny alin’ny alarobia teo, nahazo angom-baovao ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Maro­man­dia momba ny fisiana andian’olona tsy miteny gasy najanon’ny fiara tao Ambodi­manga, fokontany Marovato Atsimo, kaominina ambanivohitr’i […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka “mallettes scientifiques collèges” ireo sekoly niatrika ny fiofanana “BTSL scientifique” sy ireo izay manana laboratoara na trano voaaro ao amin’ny Dren Vatovavy. “Mallettes” 2 ho an’ny Cisco Ifanadiana misy ny CEG Ifanadiana sy ny CEG Kelilalina. “Mallettes” 6 ho an’ny Cisco Mananjary misy ny CEG Mananjary, CEG Tsiatosika, CEG […]

Mpiasa ao amin’ny Groupe Axian : miray hina miady amin’ny homamiadan’ny nono

Nanao diaben’ny firaisankina, ho fanamarihana ny «Octobre Rose», ireo mpiara-miasa ao amin’ny vondrona Axian, omaly, tetsy amin’ny Galaxy Andraharo. Ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono izay mahazo ny vehivavy ny antony. Nitarika ny diabe, omaly, ny filoha tale jeneralin’ny Axian, Hassanein Hiridjee. Ny 38% ny mpiasa amin’ ireo orinasa […]