Mois : octobre 2024

Valanaretina kolera : miato ny fitaterana avy any Comores

Mbola mirongatra ny valanaretina kolera any amin’ny Nosy Comores. Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana ny hanakatonana vonjimaika ny sisintany amin’ny fitaterana an-dranomasina avy any an-toerana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Fantatra izany nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Ny sambo mitondra ireo entana stratejika ihany no mahazo alalana ary tsy […]

Antsirabe : naverina ny paikady mitety tokantrano hampanao vaksiny

Tsy manaiky ny hanaovana ny vaksiny any an-tsekoly ny tsy miankina. Betsaka koa ny ray aman-dreny tsy marisika. Vokany, naverina ny lamina amin’ny fitetezana any an-tokantrano. Ho fanomanana ny fanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita eny anivon’ny sekoly, efa nitafa sy nanentana mialoha ny talen-tsekoly […]

SOMBIM-BAOVAO

Raha ady sahala ny lalaon’i Comores sy i Gambie, eo amin’ny andro fahefatry ny ady tapakila amin’ny «Can Maroc 2025», ka mandresy amin’ireo lalao roa farany ny Barea, dia tafita amin’ny Can indray i Madagasikara. Tsiahivina fa i Tunisie sy i Comores no miandry azy ireo. Nosoloin’ny AS Ste Anne […]

Beach -volley-Faritra fahafito : hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara

Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja volley-ball (FMVB), omaly, tetsy amin’ny Telma Andra­haro, fa hampiantrano ny fihodinana faharoa ny fifaninanana afrikanina, taranja volley ambony torapasika «beach-volley», aty amin’ny faritra fahafito, i Madagasikara. Fifanintsanana izay hotanterahina any Mahajanga, ny 27 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, ary ny sokajy Senior, lahy sy vavy, […]

Cosafa – Barea vavy : misy mpilalao mpilaravinahitra enina

Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea, vehivavy. Miisa 23 mirahavavy izy ireo no nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiaramanana Haingomalala Ninette, mpanazatra ny ekipa nasionaly, ka ny enina amin’izy ireo dia milaravinahitra any ivelany avokoa. Ahitana mpilalao mifanintsana any Comores, […]