Hanampy amin’ny famantarana ny tarehimariky ny fambolena sy ny vokatra azo avy aminy ary ny fomba fihinanana izany ny boky mirakitra ny voka-panadihadiana mahakasika ireo sakafo misy eto amintsika, ny taona 2016-2022. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny sehatry ny fambolena. Hatreto, mbola miompana amin’ny fambolena mahavelona ny […]
Mois : octobre 2024
Ady amin’ny famarinana olombelona : nofanina ny mpiasan’ny Ravinala Airports
Anjaran’ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina, ao amin’ny orinasa Ravinala Airports, any Nosy Be no nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona, izay nataon’ny BNLTEH. Nampahafantarina azy ireo ny karazana mari-pamantarana manan-danja izay mety hitarafana trangam-pamarinana olombelona. Amin’ny maha mpisehatra voalohany azy ireo eo amin’ny fifamezivezen’ny olona eny amin’ny seranam-piaramanidina, manana […]
INDRAY MIJERY
Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatry ny “Toussaint ” isika ankehitriny. Mitombo ny fivezivezena any amin’ny faritra Atsinanana sy any amin’ireo faritra hafa izay mankalaza ny 1 novambra. Manentana ny rehetra, araka izany, ny ATT mba samy hitandrina ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Eo koa ny fanamarinana ny taratasin’ny fiara rehetra sy ny […]
Boriborintany I, II, III : nampianarina hanatsara ny fihariany ireo vehivavy
Ho fanatsarana ny fiveloman’ireo renim-pianakaviana, nanao ezaka fampiofanana fanatsarana fihariana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka fiofanana momba ny fanamboarana ranon-tsavony sy menaka fanorana ireo vehivavy 70 ao amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa ary fahatelo. Niandraiketan’ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa amin’ny miankina sy ny tsy miankina izany. Hitohy ny 9 novambra […]
Fahasalamana : 23% ny mpianatra no tratran’ ny fikorontanana ara-tsaina
Manazava ny fomba fikoloana ny fahasalaman’ny saina Rabemananjara Lova Maël, mpandalina ny tontolon’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fiainan-tsoa, nandritra ny resaka natao tamin’ny eTalk. Mahavita manatratra tanjona na kely na lehibe ireo olona milamin-tsaina. Na mandalo sedra mafy na mora dia mahavita miatrika izany. Mahomby amin’ny zavatra ataony ary manana […]




